Deterônômy 26 - Malagasy Catholic Bible

FEPETRA AMIN’NY FOMBAM-PIVAVAHANANy santa-bokatra

1«Rehefa tonga any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao ianao, ka efa tompon-tany sy tafaorim-ponenana any,

2dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany.

3Misehoa eo anatrehan’ny mpisorona izay manao raharaha amin’izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin’i Iaveh Andriamanitrao aho anio, fa tonga eto amin’ny tany nianianan’i Iaveh tamin’ny razantsika homena antsika.

4Dia horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao, ka hapetrany eo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao.

5Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.

6Mafy ny nitondran’ny Ejiptianina antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika.

7Koa nitaraina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin’i Iaveh ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika,

8ka tanana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan’i Iaveh antsika avy tany Ejipta.

9Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy, ary nanome antsika an’ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.

10Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.

11Raha efa izany dia miaraha mifaly amin’ny Levita sy amin’ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.»

Ny fahafolon-karena isan-telo taona

12«Rehefa tapitra natokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrao, amin’ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin’ny vavahadinao sy hivokisany,

13dia lazao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin’ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza.

14Tsy nisy nohaniko ireo zavatra ireo tamin’ny fisaonako, na navoakako ny tranoko tamin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina raha nisy maty, fa nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitro aho, ary nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.

15Tsinjovy eny amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio i Israely vahoakanao, mbamin’ny tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, araka ny efa nianiananao tamin’ny razanay.»

3 LAHATENY FAMARANANA NY LAHATENY FAHAROAI Israely vahoakan’i Iaveh

16«I Iaveh Andriamanitrao no nanadidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra ireo.

17Nampanambara tamin’i Iaveh ianao androany, fa Izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany, hitandrina ny didiny sy ny lalàny amam-pitsipiny, ary hihaino ny feony.

18Ary i Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa ianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary Izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra nataony, na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, araka ny efa voalazany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help