Salamo 141 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 141 (Volgata 140)Vavaka raha tarihin’ny ratsy

1 Salamon’i Davida.

Iaveh ô, miantso Anao aho, tongava faingana amiko Ianao;

atongilano ny sofinao amin’ny feoko, raha miantso Anao aho.

2Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako.

3Iaveh ô, asio fiambenana eo amin’ny vavako;

ary mpitily eo am-baravaran’ny molotro.

4Aza atongilanao amin’ny ratsy ny foko,

na hilozoka amin’ny asa ratsy,

miaraka amin’ny olona mpanao ratsy.

5Raha ny marina no mamely ahy, tombon-tsoa ho ahy izany;

raha izy no mananatra ahy, diloilo manitra eo an-dohako izany,

ka tsy holavin’ny lohako,

fa amin’izay ny fivavahako no hany hanoherako ny hevi-dratsin’ireny.

6Nefa tsy ho ela dia havarina, manaraka ny vatolampy, ny lehiben’ireny;

ary handre ny teniko ny olona, fa mahafinaritra izany.

7Toy ny fanoritra sy fihevon’ny asa ny tany,

no famafy ny taolantsika teo am-bavan’ny Seoly.

8Fa Ianao no andrandrain’ny masoko, Iaveh Tompo ô;

ao akaikinao no itadiavako fialofana; aza mahafoy ny fanahiko!

9Arovy amin’ny fandrika amandrihany ahy aho,

dia amin’ny fanotrehan’ireo mpanao ratsy.

10aoka ny ratsy fanahy ho latsaka amin’ny fandrika nataony;

fa izaho kosa izay dia ho afaka amin’izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help