Eksaody 27 - Malagasy Catholic Bible

Ny ôtely hasiana ny sorona dorana.

1«Hanao ôtely amin’ny hazo akasià ianao: dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny haavony.

2Amin’ny zorony efatra hasianao tandrony mivoaka avy ao amin’ny ôtely, ary petahanao takela-barahina izy.

3Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.

4Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an’ny ôtely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin’io harato io,

5dia apetraho eo ambanin’ny koronosin’ny ôtely avy ao ambany ary ho tonga hatreo amin’ny fisasahan’ny ôtely ny harato;

6manaova bao hatao amin’ny ôtely, bao hazo akasià, ka petaho takela-barahina.

7Hampidirina eo amin’ny masom-barahina ny bao, eo an-daniny roa amin’ny ôtely, rehefa hoenti-mifindra izy.

8Ataovy hoboka aty, amin’ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy.»

Ny kianja

9«Manaova ny kianjan’ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao ankavanana, ny kianja dia hasianao fefy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan’ny lafiny.

10Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.

11Toy izany koa ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba zato hakiho ny halavany, amin’ny andriny roapolo misy faladia varahina roapolo, volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.

12Ny amin’ny lafiny andrefana dia hatao dimampolo hakiho ny halavan’ny fefy lamba amin’ny sakan’ny kianja, ary folo ny andry, folo ny faladiany.

13Amin’ny lafiny atsinanana eo anoloany dia ho dimampolo hakiho ny sakan’ny kianja;

14ka ny ilan’ny iray hasiana fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho mbamin’ny andry telo misy faladia telo,

15ny ilany iray koa, fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho mbamin’ny andry telo misy faladia telo.

16Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.

17Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban’ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa.

18Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimampolo avy, ny haavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina.

19Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin’ny raharahan’ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy ary ny tsimatry ny kianja.»

Ny menaka hatao amin’ny jiro

20«Omeo didy ny zanak’i Israely hitondra aminao diloilon’ôliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.

21Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help