1Izay mamaly ratsy, dia hiharan’ny fanahin’Andriamanitra,
izay hitahiry fatratra ny fahotany.
2Avelao ny nataon’ny namana tsy an-drariny,
dia havela ny fahotanao, rehefa mifona ianao.
3Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin’ny olon-kafa,
nefa mangataka fanasitranana amin’Andriamanitra ho an’ny tenany.
4Tsy mamindra fo amin’ny olombelona namany izy,
nefa mitaraina noho ny hadisoan’ny tenany.
5Izy izay nofo foana mitahiry lolom-po;
ka zovy indray no hahazo ny famelana ny fahotany?
6Tsarovy ny hiafaranao, ka atsaharo ny fankahalana;
tsarovy ny hahalòvana amam-pahafatesana ary tandremo ny didy.
7Tsarovy ny didy, ka aza manao an-dolompo amin’ny namana;
tsarovy ny faneken’ny Avo Indrindra
ary modia tsy mahita ny fanevatevana anao.
Fifandirana8Mijanòna any lavitry ny fifandirana,
dia ho vitsy kokoa ny fahotanao,
fa mampirehitra ny fifandirana ny olona saro-po,
9ary manisy fikorontanana eo amin’ny mpisakaiza ny mpanota;
sady manipy fanendrikendrehana amin’izay miadam-piainana.
10Arakaraka ny zavatra amelomana azy no firehitry ny afo;
arakaraka ny fahefana ananany koa no firehitry ny hatezeran’ny olona:
mampisondrotra ny hatezerany araka ny hareny izy,
ka mirehitra araka ny hamafin’ny fifandirana izany.
11Ny fifandirana malaky mampirehitra ny afo;
ary ny ady vava tsy voahevitra, mahalatsa-dra.
12Ny pik’afo, raha tsofina izy, dia mirehitra;
raha roranao izy dia maty;
samy avy ao am-bavanao ihany ireo zavatra roa ireo.
Ny lela13Ozony ny mpitati-bolana sy ny olona miroa lela,
fa loza ho an’ny maro niaina tamim-piadanana izy.
14Namarina olona maro be ny lela mpanendrikendrika;
ka nasesiny hifindrafindra firenena izy ireny.
Ny tanàna mimanda narodany;
ny lapan’ny lehibe nazerany amin’ny tany.
15Nampandroaka vehivavy mahery fo
ny lela mpanendrikendrika,
ary nanendaka ny vokatry ny asany taminy.
16Izay manongilan-tsofina aminy,
tsy hahita fitsaharana intsony,
ary tsy hanam-piadanana eo amin’ny tranony intsony.
17Ny famelezan’ny tsora-kazo mahamangana;
ny famelezan’ny lela mahavakivaky ny taolana.
18Betsaka no matin’ny lelan-tsabatra;
fa tsy betsaka tahaka ny matin’ny lela.
19Sambatra izay voaaro amin’izany,
tsy voatolotra amin’ny fisafoahany,
tsy nitondra ny jiogany,
ary tsy voafatotry ny famatorany.
20Fa jioga vy ny jiogany;
ary famatorana varahina ny famatorany.
21Fahafatesana mahatsiravina ny fahafatesana afitsony,
ka aleo ny Seoly toy izay izany.
22Ny olona tia vavaka, tsy mba hananany fahefana
ka tsy mba main’ny lelafony.
23Izay mahafoy ny Tompo, no ho latsaka eo aminy,
ka handevona azy izy mirehitra tsy mety maty.
24Koa hodidino fefy tsilo ny taninao,
fehezo an-dasàka ny volamena sy volafotsinao,
25ary manaova mizana sy vato handanjanao ny teninao,
ary manaova hidy amam-baravarana ho an’ny vavanao.
26Mitandrema mba tsy hanota amin’ny lela,
fandrao dia lavo eo imason’izay mihendry anao ianao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.