Jôba 15 - Malagasy Catholic Bible

3. TOHIZAN-DAHATENY FAHAROAMiteny manameloka ny tenany i Jôba

1Dia niteny i Elifaza avy any Temàna ka nanao hoe:

2«Moa fahaizana tsy misy fotony va no amalian’ny olon-kendry?

Ataony mivozihitra rivotra va ny vatany?

3Moa va izy miaro tena amin’ny teny foana,

sy amin’ny lahateny tsy misy antony?

4Ianao kosa mandrava hatramin’ny fahatahorana an’Andriamanitra,

dia manafoana mihitsy rehefa mety ho fitiavam-bavaka amin’Andriamanitra.

5Vavanao no manambara ny fahadisoanao,

sy fitenin’ny mpanoloky no ataonao.

6Tsy izaho fa ny vavanao no manameloka anao,

ny molotrao no miteny miampanga anao.

7Ianao va no teraka voalohany tamin’ny olombelona?

Ianao va nateraka talohan’ny havoana?

8Nanatrika ny fivoriam-pisainan’Andriamanitra va ianao?

Voarombakao ho anao irery va ny fahendrena?

9Inona no fantatrao, tsy fantatray?

Inona no nianaranao, ka tsy mahazatra anay izany?

10Eo aminay mba misy koa ny efa fotsy volo,

ny anti-panahy lava andro niainana noho irainao!

11Ka ataonao ho zavatra kely va ny fampiononana avy amin’Andriamanitra,

sy ny teny mamy ataonay aminao?

12Fa entin’ny fonao mankaiza ity ianao,

ary maninona izato masonao no mihebiheby?

13Andriamanitra va ataonao hiharan’ny hatezeranao,

ary ny vavanao va no hamoahanao lahateny toy izany?

14Fa inona ny olombelona no mba hadio,

izay tera-behivavy, no mba ho marina?

15Indro ireo masiny aza, tsy mahatoky an’Andriamanitra,

ary ny lanitra, tsy madio eo anatrehany,

16koa mainka izay zava-betaveta sy ratsy fanahy,

izay olombelona misotro ota toy ny fisotro rano!

17Hampianatra anao aho ka mihainoa;

ny zavatra hitako no hambarako,

18dia izay ampianarin’ny olon-kendry,

Efa reny tamin’ny razany ka tsy afeniny,

19izy ireo no hany nomena ny tany,

ary tsy nisy vahiny nandalo teo aminy na oviana na oviana.

20Ahiahy lava no mihinana ny ratsy fanahy amin’ny androny rehetra;

taona vitsy isa, no hany voatokana ho an’ny mpampahory.

21Feo mahatsiravina no migingìna ao an-tsofiny,

raha eo afovoan’ny fiadanana izy no irotsahan’ny mpandrava.

22Tsy mba manantena ho afaka haizina izy,

ary tsaroany tsikiloin-tsabatra lava izao.

23Mirenireny izy mba hitady ny mofony;

fantany fa ny andron’ny maizina dia efa vonona ao an’ilany.

24Ianjeran’ny fahoriana aman-tebiteby izy,

hoatra ny mpanjaka àry fitaovan-kiady no fiantorak’ireny aminy.

25Satria nanainga tanana hamely an’Andriamanitra izy,

nihaika ny Tsitoha izy,

26nanamafy hatoka nimaona hamely Azy izy:

eo ambanin’ny vohon’ampingany matevina.

27Efa safotry ny taviny ny tavany

sady manotraka be ny valahany.

28Ny tanàna fonenany dia foana tsy misy intsony,

ny trano tsy misy olona intsony,

zary korontam-bato no halehany.

29Tsy hahazo harena intsony izy, ny fananany tsy haharitra,

ny fananany tsy hitatra intsony eto ambonin’ny tany.

30Izy tsy ho afa-mandositra ny haizina,

ny solofony ho levon’ny afo,

ary hofaohin’ny fofon’aina avy amin’ny vavan’Andriamanitra izy.

31Aoka tsy hitoky amin’ny fitaka izy, fa voafandrik’izany:

ny lainga no valy ho azony.

32Hanjò azy alohan’ny hahafeno ny androny, izany valy izany,

ka tsy ho maitso intsony ny sampany.

33Hanintsam-boa vao mibontana, toy ny voaloboka, izy;

avelany hiraraka, toy ny an’ny ôliva, ny voniny.

34Fa tsy hisy taranaka ny tranon’ny tsy mivavaka,

ary ho levon’ny afo ny lain’ny mpitsara voasisika.

35Torontoronina loza izy, ka miteraka antambo.

Voam-pitaka no masaka ao an-kibony.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help