Estera Grika 2 - Malagasy Catholic Bible

2. I Mardokea SY I ESTERATonga mpanjaka i Estera

1Taorian’izany, nony nionona ny hatezeran’i Asoerosy mpanjaka, nahatsiaro an’i Vastì izy, dia ny nataony sy ny notapahina ny aminy.

2Ary hoy ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nanao raharaha teo aminy: «Aoka hitadiavana zazavavy virjiny sy tsara tarehy ny mpanjaka;

3ka isam-paritany rehetra eo amin’ny fanjakany dia hametrahan’ny mpanjaka manamboninahitra hiadidy ny famoriana ny zazavavy virjiny sy tsara tarehy rehetra, ho eto Sosa, renivohitra, ao amin’ny tranom-behivavy, tandreman’i Egea, eonòkan’ny mpanjaka, sy mpitandrina ny vehivavy, izay hamonona ny momba ny fiakanjoan’ireo;

4dia izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no ho mpanjakavavy, hisolo an’i Vastì.» Sitraky ny mpanjaka izany hevitra izany ka dia nataony izany.

5Tao Sosa renivohitra nisy Jody anankiray atao hoe Mardokea, zanak’i Jaira zanak’i Semeì zanak’i Sisa taranak’i Benjamina;

6nentina avy any Jerosalema, anisan’ireo babo nataon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilona sesitany, niaraka tamin’i Jekôniasa mpanjakan’i Jodà.

7Izy no nitaiza an’i Edisà izay hoe Estera, zana-drahalahin-drainy, fa tsy nanan-dray na reny intsony razazavavy. Sady bikàna no tsara tarehy razazavavy; nony maty rainy aman-dreniny, dia natsangan’i Mardokea ho zanany izy.

8Nony efa naely ny teny aman-didin’ny mpanjaka ka efa maro ny zazavavy tafangona tao Sosa, renivohitra notandreman’i Egea, i Estera koa nalaina ho ao an-tranon’ny mpanjaka, notandreman’i Egea, mpitandrina ny vehivavy.

9Ary nahafaly azy sy nahita fitia teo imasony razazavavy, ka novononiny faingana ny zavatra ilainy momba ny fihaingoany aman’anjara haniny, ary zazavavy fito notsongaina tao an-tranon’ny mpanjaka, no nomeny azy, ary ny efitrano tsara indrindra tao an-tranom-behivavy no nametrahany azy sy ireo zazavavy.

10Tsy nilaza izay fireneny na firazanany i Estera, fa noraran’i Mardokea tsy hilaza izany.

11Nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy i Mardokea, mba hahafantarany ny toe-pahasalaman’i Estera, sy izay fitondran’ny olona azy.

12Nony avy ny anjara fotoana handehanan’ireo zazavavy ireo amin’i Asoerosy avy, rehefa tapiny ny 12 volana fanatanterahana izay voadidy hataon’ny vehivavy, dia izao kosa no zavatra alahatra atao amin’ny fotoana idiovany; ny enim-bolana nidiovany amin’ny diloilo misy mira, ary ny enim-bolana kosa amin’ny zava-manitra sy ny zavatra tsara fofona fanaon’ny vehivavy.

13Raha nandeha amin’ny mpanjaka ny zazavavy dia nahazo alalana hitondra izay tiany avy ao an-tranom-behivavy mba ho any an-tranon’ny mpanjaka.

14Ny hariva izy no mankao: nony ampitso maraina izy, dia mifindra ao amin’ny trano faharoa fitoeram-behivavy, tandreman’i SosaGazà, eonòkan’ny mpanjaka, mpitandrina ny vavitsindrano. Tsy miverina ao amin’ny mpanjaka intsony izy, afa-tsy raha irin’ny mpanjaka izy, ka antsoina amin’ny anarany.

15Nony tonga ny anjaran’i Estera zanak’i Abihaila, rahalahan-drain’i Mardokea, ilay nanangana azy ho zanaka, handehanany any amin’ny mpanjaka, dia tsy mba nila na inona na inona izy, afa-tsy izay natoron’i Egea, eonòkan’ny mpanjaka, sy mpitandrina ny vehivavy; nefa izay rehetra nahita an’i Estera nankasitraka azy avokoa.

16Tamin’ny volana fahafolo, izay volana Tebeta, taona fahafito nanjakan’i Asoerosy mpanjaka, no nentina ho ao aminy ao an-trano-mpanjaka i Estera.

17Ary i Estera no tian’ny mpanjaka indrindra tamin’ny vehivavy rehetra, ka nahita fitia aman-tsitraka taminy, mihoatra noho ny zazavavy hafa rehetra. Nosatrohany ny diademam-panjakana ny lohany, sady nataony mpanjakavavy hisolo an’i Vastì.

18Nanao fanasana lehibe ny mpanjaka, ho an’ny andriandahiny rehetra sy ny mpanompony, dia ny fanasan’i Estera, nanomezany fitsaharana ny faritaniny, ary nanaovany fanomezana be, amin’ny fahazavam-po mendrika ny mpanjaka.

I Mardokea sy i Amàna

19Tamin’ny famoriana zazavavy fanindroany, nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mardokea;

20I Estera izany mbola tsy nilaza ny firazanany na ny fireneny, araka ilay efa nandidian’i Mardokea azy, ary nanaraka ny didin’i Mardokea i Estera, toy ny fony mbola notezainy ihany.

21Tamin’izany andro izany, raha ilay nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka iny i Mardokea, nentin-katezerana i Bagatàna sy i Tareza, izy roalahy samy eonòkan’ny mpanjaka sy mpiambina ny lapa, ka nitady hamono an’i Asoerosy mpanjaka.

22Fantatr’i Mardokea ny teti-dratsy, ka nambarany tamin’i Estera izay nilaza izany tamin’ny mpanjaka kosa, ho filazana avy amin’i Mardokea.

23Nony nofotorana izany zavatra izany, ka hita fa marina, dia nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy eonòka ary nosoratana tamin’ny bokin’ny Tantara teo anatrehan’ny mpanjaka izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help