Osea 1 - Malagasy Catholic Bible

Lohateny

1Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.

1. NY FANAMBADIAN’I OSEA SY NY MAHA FAMANTARANA AN’IZANYFanambadian’i Osea sy ireo zanany

2Tamin’ny niandohan’ny nitenenan’i Iaveh tamin’i Osea, izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Osea: «Mandehana ianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon’ny tany afa-tsy ny misaraka amam-bady amin’ny fandaozana an’i Iaveh.»

3Dia nandeha izy, naka an’i Gômera, zanaka vavin’i Debelaïma, ary nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy taminy.

4Ary hoy i Iaveh taminy: «Ataovy hoe Jezrahely ny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak’i Jehò noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan’ny taranak’i Israely.

5Amin’izany andro izany, hotapahiko, eo amin’ny tanilemak’i Jezrahely, ny tsipìkan’i Israely.»

6Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Rôkama ny anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak’i Israely Aho ka hamela heloka azy.

7Fa ny taranak’i Jodà no hiantrako; ary i Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy.»

8Nony notazany i Lô-Rôkama, dia nanana anaka indray ravehivavy, ka nitera-dahy.

9Dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Amì ny anarany, fa ianareo tsy vahoakako, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help