1Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:
2Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon’i Iaveh indray.
3Ary tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany manao hoe:
4Ary ho anareo kosa moa dia fotoana
hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina,
amin’izao aharavan’io trano io izao?
5Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
6Namafy be ianareo, fa nijinja kely;
mihinana, fa tsy ampy hahavoky;
misotro, fa tsy ampy hahafa-po;
mitafy, fa tsy ampy hanafàna;
ary ny mpikarama mahazo ny karama
hatao an-kitapo loaka.
7Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
8Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo,
ary ataovy ny trano;
hankasitrahiko sy hahazoako voninahitra izany, hoy i Iaveh.
9Nanantena be ianao, nefa tsy nisy afa-tsy kely foana;
nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany.
Nahoana? - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Satria ny Tranoko mbola rava;
nefa ianareo isany, samy maimay be ihany ny amin’ny tranony avy.
10Noho izany ny lanitra tsy nandefa ny ando ho anareo,
ary ny tany mandà tsy hanome ny vokany.
11Niantso ny fahamainana Aho,
ho amin’ny tany sy ny tendrombohitra,
ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo,
sy izay rehetra mety ho vokatry ny tany,
mbamin’ny olona sy ny biby,
ary ny asan-tanana rehetra.
12Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.
13Ary i Akjea, irak’i Iaveh, araka ny didin’i Iaveh, niteny tamin’ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo Aho - teny marin’i Iaveh.
14Ary notairin’i Iaveh ny fanahin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, ny fanahin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, sy ny fanahin’ny vahoaka sisa rehetra; ka dia tonga izy ireo ary niasa tamin’ny Tranon’i Iavehn’ny tafika Andriamaniny,
15tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahenina, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.