1Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; iandraiketo ny adiko
amin’ny firenena mpamadika,
afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!
2Fa Ianao no Andriamanitry ny fiarovana ahy;
nahoana no dia atosikao aho?
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo,
ampahorin’ny fahavalo?
3Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao,
dia hitarika ahy anie izany,
ka hitondra ahy ho any amin’ny tabernakla
aman-tendrombohitrao masina.
4Ho ao amin’ny ôtelin’Andriamanitra,
ho ao amin’ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako,
ary hidera Anao amin’ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!
5Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko,
ka mihavatravatra ato anatiko?
Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy,
izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.