Zakaria 3 - Malagasy Catholic Bible

Fisehoana hita fahefatra: ny nampitafiana an’i Jesosy

1Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’io mba hanohitra azy.

2Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Aoka hosakanan’i Iaveh ianao, izay nifidy an’i Jerosalema! Tsy forohana nosarihina avy amin’ny afo va ity?»

3Ary nitafy maloto i Jesosy sy nitsangana teo anatrehan’ilay Anjely.

4Ary niteny ilay Anjely ka nilaza tamin’ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: «Esory ny fitafiana maloto eny aminy.» Dia hoy izy taminy: «Jereo, efa noesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin’ny fety no natafiko anao.»

5Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madio eo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.

6Ka izao no fanambaràna nolazain’ilay Anjelin’i Iaveh, tamin’i Jesosy:

7Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.

Ny nahatongavan’ilay «Solofo»

8Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe,

ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao:

- fa olona hatao fambara ireo:

Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.

9Fa inty ny vato napetrako eo anoloan’i Jesosy;

maso fito no amin’izay vato tokana izay;

indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy,

- teny marin’i Iavehn’ny tafika, -

ary hoesoriko indray andro monja

ny helok’ity tany ity!

10Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, -

samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help