1I Efraima nanodidina Ahy tamin’ny lainga,
ary ny taranak’i Israely tamin’ny fitaka,
i Jodà koa efa tapa-kofehy ny amin’ny momba an’Andriamanitra,
ny amin’ny momba an’ilay Masina izay mahatoky.
2I Efraima, mihinan-drivotra,
sy manenjika ny rivotra avy atsinanana.
Mampiavosa lainga amam-pandozàna mandritra ny andro izy;
manao fanekena amin’i Asora izy ireo,
ka entina ho any Ejipta ny diloilo.
Famelezana an’i Jakôba3Manana ady amin’i Jodà koa i Iaveh;
efa hamay an’i Jakôba, araka ny lalany izy,
sady hamaly azy araka ny asa nataony.
4Mbola tao am-bohoka i Jakôba nanongona ny rahalahiny,
ary tamin’ny fahavitrìhany dia nitolona tamin’Andriamanitra.
5Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy;
nitomany sy nifona taminy;
dia nahita azy tao Betela indray,
ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.
6Ary i Iaveh no Andriamanitry ny tafika;
i Iaveh no anarany.
7Ary ianao kosa dia mba hiverina amin’ny Andriamanitrao;
tandremo ny famindram-po sy ny rariny;
ary miandrasa ny Andriamanitrao mandrakariva.
I Israely maimaim-bola sy voasazy8I Kanaana mitana mizàna mandainga;
ny miharaka no tiany.
9I Efraima nanao hoe: Mba nihary harena ihany aho anefa,
ka nahazo fananana be aho;
ary amin’izay azoko rehetra, dia tsy ho hita amiko
izay famonoana antoka azo atao ho fahotana.
Fihavanana kasaina10Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao
hatrany amin’ny tany Ejipta;
mbola hampitoetra an-day anao Aho
toy ny amin’ny andro fety.
11Niteny tamin’ny mpaminany Aho,
ary Izaho koa no nahamaro ny fahitana,
ary niteny tamin’ny fanoharana Aho tamin’ny alalan’ny mpaminany.
Fanambanana indray12Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo;
nanao sorona omby tany Galgalà izy;
noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato
eny amin’ny saha voasoritsoritra.
Famelezana an’i Jakôba sy i Efraima13Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakôba;
nanompo mba hahazoany vady i Israely;
dia niandry ondry izy hahazoany vady.
14Ary mpaminany no nentin’Andriamanitra
nampiakatra an’i Israely avy tany Ejipta,
mpaminany no nentiny niahy azy.
15Nanantsy mafy ny fahatezeran’Andriamanitra i Efraima,
ka havelany hitsingerina aminy ny rany,
ary hovalian’ny Tompo izy noho ny fanalam-baraka nataony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.