1Fihirana fiakarana.
Ato ambody hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh,
Tompo ô, henoy ny feoko;
2aoka ny sofinao anie hihaino
ny feon’ny fivavahako.
3Raha mitana ny fahatsiarovana ny heloka Ianao, ry Iaveh,
iza no haharitra, Tompo ô?
4Fa ao aminao ny famelan-keloka,
mba hanajan’ny olona Anao.
5Manantena an’i Iaveh aho, manantena ny fanahiko,
ary miandry ny teniny aho.
6Maniry ny Tompo ny fanahiko,
mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
7Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely,
fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po;
ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
8Izy no hanavotra an’i Israely
amin’ny helony rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.