1Amin’izany andro izany hohiraina
ao amin’ny tanin’i Jodà izao hira izao:
«Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony
mandany sy manda ivelany.
2Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina,
mitana ny fahamarinana.
3Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana,
dia fiadanana noho izy matoky anao.
4Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo,
fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
5Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy;
naniva ny tanàna miezinezina,
naniva azy amin’ny tany,
nataony mikasika ny vovoka Izy
6ka voahosihosin’ny tongotra izy,
dia ny tongotry ny ambany toerana sy ny dian’ny ory.»
Salamo7Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina;
mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina.
8Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh,
ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao,
no fanirian’ny fanahinay.
9Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina;
ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka Anao.
Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsarànao,
dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
10Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy
dia tsy mahalala ny fahamarinana;
ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy,
sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.
11Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo.
Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany
ka hangaihay izy ireo;
ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
12Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao,
fa ny asanay rehetra
dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
13Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho Ianao
efa nanapaka anay koa;
fa noho Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny Anaranao.
14Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana,
fa efa nosavanao izy ka naringanao,
sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15Nampitomboinao ny firenena, ry Iaveh,
nampitomboinao ny firenena sy nahariharinao ny voninahitrao;
nitarinao halalaka ny faritry ny tany.
16Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô,
noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
17Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka,
miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany,
tahaka izany izahay eo anatrehan’ny tavanao, ry Iaveh.
18Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay,
dia tsy niteraka afa-tsy rivotra.
Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay,
ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.
19Ho velona indray ny olonao efa maty;
hitsangana indray ny fatin’ny oloko.
Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana,
ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka,
fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana;
ary ny tany hamoaka indray ny maty.
Tenin’Andriamanitra20Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao,
ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao;
miere vetivety foana,
mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
21Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany,
hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany;
ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny,
ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.