Ekleziastika 44 - Malagasy Catholic Bible

2. EO AMIN’NY TANTARA (1Mak 2,51-64; Heb 11)Fiderana ireo razana malaza

1Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza,

sy ny razan’ny karazantsika.

2Nanao zava-mahagaga be voninahitra amin’izy ireo ny Tompo;

naneho ny fahalehibeazany hatramin’ny voalohany Izy.

3Izy ireo dia mpanjaka teo amin’ny fanjakany;

lehilahy malaza noho ny fahefany,

mpanolo-tsaina feno fahendrena,

manambara ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny faminaniany;

4Mpitarika ny vahoaka tamin’ny toroheviny amam-pahamalinany,

mpampianatra ny vahoaka, nanoro azy tamin’ny teny maneho fahendrena;

5olona nianatra ny fahaiza-mamoron-kira masina,

sady nandatsaka an-tsoratra tantara mirindra;

6mpanan-karena, nanam-pananana be,

nonina tao an-tranony tamim-piadanana:

7Izany olona rehetra izany dia nohajain’ny niara-belona taminy,

samy voninahitry ny fotoana niainany avokoa.

8Ny sasany tamin’izy ireo, namela anarana,

ka azo atao ny mitantara ny fiderana azy.

9Ny sasany kosa dia tsy misy ahatsiarovana azy intsony;

fa levona toy ny tsy nisy akory;

nanjary toy ny tsy teraka akory,

ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.

10Ireo voalohany dia olona tia vavaka,

ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.

11Raikitra ho anjaran’ny taranany ny hasambarana

ary misy lova azo antoka ho an’ny zanany.

12Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany;

mbamin’ny zanany koa noho ny amin’izy ireo.

13Maharitra mandrakizay ny taranany,

ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

14Ny vatany nalevina tamim-piadanana

ary ny anarany velona amin’ny taona mifandimby.

15Ny vahoaka mankalaza ny fahendreny;

ary ny fiangonana mitory fiderana azy.

I Enôka(Jereo Jen 5,24; Heb 11,5)

16Sitraky ny Tompo i Enôka ka nafindra;

ohatra amin’ny fivalozana, ho an’ny taranaka.

I Nôe

17Hita fa lavorary sady marina i Nôe;

izy no avotra ho an’ny olombelona tamin’ny andron’ny fahatezerana,

hany ka mbola nisy sisa tavela tamin’ny tany,

tamin’ny nahatongavan’ny safodrano.

18Nisy fanekena mandrakizay natao taminy,

mba tsy handringana ny nofo rehetra amin’ny safodrano intsony.

I Abrahama

19Raza-malazan’ny firenena maro i Abrahama,

ary tsy nisy olona nitovy voninahitra taminy.

20Nitandrina ny lalàn’ny Avo Indrindra izy,

ary nanao fanekena taminy.

Naoriny tamin’ny nofony izany fanekena izany;

ary niseho ho mahatoky izy tamin’ny fizahan-toetra azy.

21Ka dia nanome toky azy tamim-pianianana Andriamanitra

fa amin’ny taranany no hitahiana ny firenena;

nomeny toky fa hohamaroiny toy ny vovoky ny tany izy

sy hasandrany toy ny kintana ny taranany,

ary homeny ho lovany ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina,

hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

I Isaaka sy i Jakôba

22Nohamafisiny toy izany tamin’i Isaaka koa noho ny amin’i Abrahama,

ny fitahiana ny firenena rehetra, sy ny fanekena.

23Raha efa izany dia nataony mipetraka teo an-dohan’i Jakôba izany fitahiana izany

ka nataony anton’ny fitahiany ny olona izy;

nomeny ho lovany ny tany;

24natokotokony maro izany,

dia nozarainy tamin’ny foko roa ambin’ny folo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help