Lioka 11 - Malagasy Catholic Bible

Ny «Pater»

1Indray andro nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray i Jesoa, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: «Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.»

2Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, manaova hoe:

(Jereo Mt 6,9-13)

Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.

3Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.

4Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.

Ilay sakaiza manelingelina(Jereo Lk 18,1-8)

5Dia hoy indray koa Izy taminy: «Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‹Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho,

6fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho›,

7ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‹Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry, ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.›

8Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.»

Ny vavaka mandaitra(Jereo Mt 7,7-11; Jn 14,13-14)

9«Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohana.

10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina.

11Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny,

12na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny?

13Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?»

I Jesoa sy i Belzeboba(Jereo Mt 12,22-29; 16,1; Mk 3,22-27; 8,11; Lk 11,29)

14Ary nandroaka demony i Jesoa, ka moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka;

15fa ny sasany tamin’izay teo nanao hoe: «I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony.»

16Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.

17Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano;

18ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony.

19Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.

20Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.

21Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra;

22fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny.

Ny tsy ileferan’i Jesoa(Jereo Mt 12,30)

23«Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko, dia manahaka.»

Miverina mamely mafy ny fanahy maloto(Jereo Mt 12,43-45)

24«Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy, ka nony tsy mahita dia manao hoe: ‹Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.›

25Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,

26ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo. Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.»

Ny tena hasambarana(Jereo Lk 8,21)

27Raha nilaza izany Izy, dia nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao taminy hoe: «Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao!»

28«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»

I Jônasy famantarana(Jereo Mt 12,38-42)

29Ary nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazany hoe: «Taranaka ratsy ity taranaka ity; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasy mpaminany.

30Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasy tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’olona koa amin’ity taranaka ity.

31Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazantany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.

32Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasy izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasy eto.»

Mbola fanoharana amin’ny jiro arehitra(Jereo Mt 5,15; 6,22-23; Mk 4,21; Lk 8,16)

33«Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-katakonana na ao ambanin’ny vata famarana, fa eo amin’ny fanaovan-jiro izy no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.

34Ny maso no jiron’ny tenanao, ka raha tsara ny masonao dia hazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa izy, dia ho maizina koa ny tenanao.

35Tandremo àry fandrao zary haizina ny fahazavana ao anatinao.

36Fa raha ao amin’ny mazava tsy mifangaro haizina ny tenanao manontolo, dia hazava avokoa izy rehetra, mova tsy ny hazavain’ny jiro tsara firehitra ianao.»

Fanoherana ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna(Jereo Mt 23,25-27, 29-31, 34, 36; Mk 12,38-39; Lk 20,46)

37Raha mbola niteny Izy, dia nisy Farisianina anankiray nanasa Azy hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.

38Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita ity Izy tsy nisasa alohan’ny hihinana,

39ka hoy ny Tompo taminy: Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.

40Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy nanao ny atiny koa?

41Izao ihany e: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.

42Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.

43Mila loza ianareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagoga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.

44Mila loza ianareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.

45Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.»

46Fa hoy i Jesoa: «Mila loza ianareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra ny tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.

47Mila loza ianareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo, kanefa ny razanareo ihany no namono azy!

48Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy.

49Izany no nanaovan’ny Fahendren’Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apôstôly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,

50mba hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao,

51dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny Tempoly. Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa ity taranaka ity.

52Mila loza ianareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ka ianareo tsy niditra, ny te hiditra nosakananareo.»

53Raha mbola niteny izany Izy, dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro,

54mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help