1Tantara 1 - Malagasy Catholic Bible

1. NY MOMBA AN’I DAVIDA: TETIARANA HATRAMIN’I ADAMA KA HATRAMIN’I ISRAELYNy niandohan’ireo antoko telo lehibe(Jereo Jen 5)

1I Adama, i Seta, i Enôsa,

2i Kainàna, i Malaleela, i Jareda,

3i Henoka, i Matosale, i Lameka,

4i Nôe, i Sema, i Kama, i Jafeta.

Ireo taranak’i Jafeta(Jereo Jen 10,2-4)

5Zanak’i Jafeta: i Gômera, i Magôga, i Madaia, i Javàna, i Tobala, i Mosaoka, ary i Tirasa.

6Zanak’i Gômera: i Aseneza, i Rifata, ary i Tôgorim.

7Zanak’i Javàna: i Elisà, i Tarsisa, i Setima, ary i Dôdanima.

Ireo taranak’i Kama(Jereo Jen 10,6-8, 13-18)

8Zanak’i Kama: i Kosa, i Mesraima, i Fota, i Kanaana.

9Zanak’i Kosa: i Sabà, i Hevilà, i Sabata, i Regmà ary i Sabatakà. Zanak’i Regmà: i Sabà sy i Dadàna.

10I Kosa niteraka an’i Nemrôda; izy ity no nanomboka nanam-pahefana teto ambonin’ny tany.

11I Mesraima niteraka ny Lodima, ny Anamima, ny Laabima, ny Neftohìma,

12ny Fetrôsima, ny Kaslihima izay niavian’ny Filistinina, sy ny Kaftôrima.

13I Kanaàna niteraka an’i Sidona, lahimatoany, sy i Heta,

14ary koa ny Jeboseanina, ny Amôreana, ny Jerzeseanina,

15ny Heveanina, ny Arakeanina, ny Sineanina,

16ny Aradianina, ny Samareanina, ny Hamateanina.

Ireo taranak’i Sema(Jereo Jen 10,22-29)

17Zanak’i Sema: i Elama, i Asora, i Arfaksada, i Loda, i Arana, i Hosa, i Hola, i Getera ary i Mosaoka.

18I Arfaksada niteraka an’i Sale, ary i Sale niteraka an’i Hebera.

19Roa no zanaka lahy naterak’i Hebera: ny anaran’ny anankiray dia Falega, fa tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary ny anaran’ny rahalahiny kosa dia Jektàna.

20Ny naterak’i Jektàna dia i Elmôdada, i Salefa, i Asarmota, i Jare,

21i Adôrama, i Hozala, i Deklà,

22i Hebala, i Abimaela, i Sabà,

23i Ofira, i Hevilà ary i Jôbada. Izy rehetra ireo dia zanaka lahin’i Jektàna.

Hatramin’i Sema ka hatramin’i Abrahama(Jereo Jen 10,10-26)

24I Sema, i Arfaksada, i Sale,

25i Hebera, i Falega, i Regao,

26i Seroga, i Nakôra, i Tare,

27i Abrama, izay hoe: Abrahama.

28Zanak’i Abrahama; i Isaaka sy i Ismaely.

29Ka izao no taranak’ireo:

Ny Ismaelita(Jereo Jen 25,13-16)

I Nabaiôta, zanak’i Ismaely lahimatoa, i Sedara, i Abdeela, i Mabsana,

30i Masmà, i Domà, i Masà, i Hadada, i Temà,

31i Jetora, i Nafisa, i Kedmà. Ireo no zanaka lahin’i Ismaela.

(Jereo Jen 25,2-4)

32Zanaka lahin’i Setorà, vaditsindranon’i Abrahama: ny naterany dia i Zamrama, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaoka, ary i Soe. Zanak’i Jeksàna: i Sabà sy i Dadàna.

33Zanak’i Madiàna: i Efah, i Efera, i Henoka, i Abidà, ary i Eldaà. Izy rehetra ireo dia zanak’i Setorà.

I Isaaka sy i Esao(Jereo Jen 25,19; 36,10-13, 15-17)

34I Abrahama niteraka an’i Isaaka. Zanak’i Isaaka: i Esao sy i Jakôba.

35Zanak’i Esao: i Elifaza, i Rahoela, i Jehosa, i Ihelona ary i Kôre.

36Zanak’i Elifaza: i Temàna, i Omara, i Sefè, i Gatàna, i Seneza, i Tamnà;

37Zanak’i Rahoela: i Nahata, i Zarà, i Samà, ary i Mezà.

I Seira(Jereo Jen 36,20-28)

38Zanak’i Seirà: i Lôtàna, i Sobala, i Sebeôna, i Anà, i Sisôna, i Esera, ary i Disàna.

39Zanak’i Lôtàna: i Hôri, sy i Hômama. Anabavin’i Lôtàna: i Thamnà.

40Zanak’i Sobala: i Aliàna, i Manahata, i Ebala, i Sefà, ary i Omana. Zanak’i Sebôna: i Aià sy i Anà. Zanak’i Anà: i Disona.

41Zanak’i Disona: i Hamràna, i Esebàna, i Jetràna, ary i Karàna.

42Zanak’i Esera: i Balaàna, i Zavàna ary i Jakàna. Zanak’i Disàna: i Hosa sy i Aràna.

Ireo mpanjakan’i Edôma(Jereo Jen 36,31-39)

43Ireto no mpanjaka efa nanjaka tany amin’ny tany Edôma, talohan’ny nisian’ny mpanjaka nanjaka tamin’ny zanak’i Israely: i Bela, zanak’i Beôra, ary Denabà no anaran-tanànany.

44Maty i Bela, ka i Jôbaba zanak’i Zare avy any Bôsrà no nanjaka nandimby azy.

45Maty i Jôbaba, ka i Hosama avy any amin’ny tanin’ny Temanita no nanjaka nandimby azy.

46Maty i Hosama, ka i Hadada zanak’i Badada no nanjaka nandimby azy; izy no nandresy ny Madianita tany amin’ny tanin’i Moaba. Avita no anaran-tanànany.

47Maty i Hadada, ka i Semlà, avy any Masrekà no nanjaka nandimby azy.

48Maty i Semlà, ka i Saola avy any Rohôbôta, amoron’ny Ony, no nanjaka nandimby azy.

49Maty i Saola ka i Balanàna zanak’i Akobôra no nanjaka nandimby azy.

50Maty i Balanàna ka i Hadada no nanjaka nandimby azy; Fao no anaran-tanànany, ary ny anaran’ny vadiny dia Meetabela, zanaka vavin’i Matreda, zanaka vavin’i Mezaaba.

Ireo loham-pianakavian’i Edôma(Jereo Jen 36,40-43)

51Ary maty i Hadada. Ny loham-pirenen’i Edôma dia ireto: i Tamnà loham-pirenena, i Alvà loham-pirenena, i Jeteta loham-pirenena,

52i Ohôlibamà loham-pirenena, i Elà loham-pirenena,

53i Finôna loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena, i Temàna loham-pirenena, i Nabasa loham-pirenena,

54i Magdiela loham-pirenena, i Hirama loham-pirenena. Ireo no loham-pirenen’i Edôma.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help