1Hafa noho izany izay mampiasa ny sainy,
sy mandinika ny lalàn’ny Avo Indrindra.
Mikatsaka ny fahendren’ny taloha rehetra izy,
ary ny androny malalaka dia atokany hisainana ny faminaniana.
2Mitahiry ao an-tsainy ny filazan’ny olo-malaza izy,
ary mahatakatra ny oha-teny miolakolaka.
3Mikaroka ny hevi-miafina amin’ny ohabolana izy,
ary mihevitra ny oha-teny misy ankamantatra.
4Manao raharaha eo amin’ny lehibe izy;
ary miseho eo anatrehan’ny mpanapaka.
Mivahiny any an-tanin’ny firenen-kafa izy,
fa te hahalala ny soa sy ny ratsy eny amin’ny olona eny.
5Mazoto fo tokoa izy ny mandeha vao maraina
hanatona ny Tompo nanao azy:
mivavaka eo anatrehan’ny Avo Indrindra izy;
manoka-bava hanao fivavahana,
ary mifona noho ny fahotany.
6Raha izany no sitrapon’ny Tompo, izay lehibe,
dia ho feno fanahin’ny fahazavan-tsaina izy;
ka hamafy mikararana ny tenim-pahendrena,
ary hanome saotra ny Tompo, amin’ny fivavahany.
7Ho hainy taritina ny fahamalinana amam-pahaizany,
ary hianatra ny misterin’Andriamanitra izy,
8Hitory ny fahaizan’ny fampianarana izy,
ary hirehareha amin’ny lalàn’ny faneken’ny Tompo.
9Maro no hidera ny fahazavan-tsainy,
ary tsy ho very tadidy na oviana na oviana izy;
tsy ho levona ny fahatsiarovana azy,
ary haharitra amin’ny taona mifandimby ny anarany.
10Ny fireneny hitory ny fahendreny;
ary ny fiangonana hankalaza ny fiderana azy.
11Raha mbola velona izy, mijoro ho malaza noho ny arivo hafa ny anarany;
ary rehefa hitsahatra indray izy, vao mainka hitombo ny voninahiny.
Miderà an’Andriamanitra12Mbola iriko ny hamoaka ny vokatry ny fandinihako,
satria feno toy ny volana eo amin’ny fenomanany aho.
13Mihainoa ahy, ianareo zanaka tia vavaka, ary mitomboa
hoatra ny rôzy amoron’ny ranovelona:
14aoka handraraka, hoatra ny emboka, ny fofonareo manitra;
ataovy mivelatra hoatra ny lisy ny voninareo.
Alefaso ny hanitrareo, ary mihirà hira fiderana,
ka mankalazà ny Tompo, noho ny asa rehetra nataony.
15Omeo voninahitra ny anarany;
ataovy antso avo ny fiderana azy,
amin’ny hiran’ny vavanareo sy ny valihanareo,
ary ankalazao izy ataovy hoe:
16Tsara dia tsara avokoa ny asan’ny Tompo,
ary ho tanteraka amin’ny fotoany izay rehetra efa nalahany.
17Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»
fa samy hotadiavina amin’ny fotoany avy ny zavatra rehetra.
Tamin’ny teniny no niangonan’ny rano, toy ny antontan-javatra iray ihany,
ary ny tenin’ny vavany iray ihany no nisian’ny fiangonan-drano.
18Noho ny didiny dia tonga izay tiany;
ary tsy misy mahasakana ny famonjena irahiny.
19Eo anatrehany avokoa ny asan’ny nofo rehetra,
ary tsy misy afa-miery amin’ny masony.
20Mahatratra hatramin’ny mandrakizay
ka hatramin’ny mandrakizay ny fijeriny,
ary tsy misy zava-mahagaga eo anatrehany.
21Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»
fa noarîny hanan-toniany avokoa ny zavatra rehetra.
22Tondraka hoatra ny ony ny fitahian’ny Tompo,
ary manondraka ny tany hoatra ny safodrano.
23Manampatra ny hatezerany ho anjaran’ny firenena, toy izany koa izy,
tahaka ny nanaovany ny tany mando tsara ho tanin-tsira.
24Mahitsy ny lalany ho an’ny olo-masina,
ary toy izany koa dia antom-pahalavoana ho an’ny ratsy fanahy izany.
25Ny soa noarîna ho an’ny tsara, hatramin’ny voalohany,
ary toy izany koa ny loza ho an’ny ratsy fanahy.
26Izao no zavatra ilaina indrindra, hiveloman’ny olombelona,
ny rano, ny afo, ny vy, ny sira,
ny lafarinam-bazaha, ny ronono, ny tantely,
ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ary ny fitafiana.
27Zava-tsoa ireo zavatra ireo, ho an’ny olona tia vavaka;
fa miova ho loza kosa izy ho an’ny mpanota.
28Misy rivotra hanaovana famaliana,
ka ny loza avy aminy no avoakany amin’ny fisafoahany.
Hanampatra ny heriny izy, amin’ny andro fandravana,
dia hampitony ny hatezeran’Ilay nanao azy.
29Ny afo aman-kavandra, ny mosary mbamin’ny pesta,
dia zava-noarîna ho famaizana avokoa ireny;
30torak’izany koa ny nifin’ny biby masiaka,
ny maingoka sy ny menarana,
mbamin’ny sabatra mpandringana mampidi-doza ny ratsy fanahy.
31Mifaly amin’ny didin’ny Tompo ireo zava-boaary ireo;
eto ambonin’ny tany ireny vonon-ko amin’izay ilana azy,
ka rehefa tonga ny fotoana, tsy diso manatanteraka ny didiny izy.
32Izany no naharetako tsara, tamin’ny hevitro, hatramin’ny voalohany,
ka nony efa nandinika aho, dia nanao azy an-tsoratra:
33Tsara avokoa ny asan’ny Tompo;
ka ataony vonona amin’izay ilany azy ny zavatra rehetra ilaina.
34Tsy misy tokony hilazana hoe: «Ity ratsiratsy kokoa noho itsy»;
fa samy ho fantatra ho tsara avokoa izy, amin’ny fotoany.
35Ary ankehitriny, mihirà, amin’ny fo rehetra sy amin’ny vava,
ka misaora ny Anaran’ny Tompo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.