Ekleziastika 51 - Malagasy Catholic Bible

FANAMPINYAntsa fisaorana

1Vavaka nataon’i Jesò, zanak’i Siràka.

Te hankalaza Anao aho, ry Tompo, Mpanjaka,

te hidera Anao aho, ry Andriamanitra Mpamonjy;

mankalaza ny Anaranao aho.

2Fa mitsangana ho mpiaro ahy sy vonjiko Ianao;

Ianao namonjy ny vatako tamin’ny fanimbana,

tamin’ny fandriky ny lela mpanendrikendrika,

tamin’ny molotr’ireo mamoron-dainga;

ary teo anatrehan’ny mpandrafy ahy;

3Ianao no nanohana ahy, Ianao no nanafaka ahy,

araka ny haben’ny indrafonao sy ny Anaranao,

tamin’ireo nikitro-nify, vonon-kandrapaka ahy;

tamin’ny tanan’ireo nitady ny aiko,

tamin’ny fahoriana rehetra namoritra ahy,

4tamin’ny hasomparana avy amin’ny afo nanodidina ahy,

teo afovoan’ny afo izay tsy narehitro;

5tamin’ny antsan-dalin’ny Seoly,

tamin’ny lela maloto, sy tamin’ny teny mamitaka natao tamin’ny mpanjaka,

tamin’ny endrikendriky ny lela tsy marina.

6Efa nanakaiky ny fahafatesana ny fanahiko,

ary efa nikasika ny Seoly any ambany ny aiko.

7Efa nanodidina ahy hatraiza hatraiza izy ireo

sady tsy nisy olona hamonjy ahy;

niandrandra vonjy avy amin’ny olombelona aho,

nefa tsy nisy velively akory.

8Izay aho vao nahatsiaro ny indrafonao, ry Tompo,

sy ireo asa nataonao tamin’ny andro fahiny;

tsaroako fa Ianao namonjy ireo nanantena Anao,

sy nanafaka azy ireo tamin’ny tanan’ny firenena mpanompo sampy.

9Ka dia niankohoka tamin’ny tany aho,

nampisondrotra ny fivavahako

sy nitaraina taminao hamonjy ahy amin’ny fahafatesana.

10Niantso ny Tompo rain’ny Tompoko aho,

mba tsy handaozany ahy, amin’ny andron’ny fahoriako;

amin’ny andron’ny mpiavonavona, izay tsy ahitam-bonjy.

11Hidera ny Anaranao tsy an-kijanona aho,

ary hihira azy amim-pankasitrahana.

Dia nohenoina ny fangatahako,

12fa novonjenao tamin’ny faharavana aho,

ary tamin’ny andron’ny fahoriana nataonao afaka aho,

ka dia hankalaza Anao sy hidera Anao aho,

ary hisaotra ny Anaran’ny Tompo.

Tononkalo hikatsahana ny fahendrena

13Fony aho mbola tanora, mbola tsy naniasia,

dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin’ny fivavahako.

14Nangataka izany teo anoloan’ny Tempoly aho,

sady hikatsaka azy hatramin’ny farany.

15Tamin’ny fahitana ny voniny,

toy ny fahitana ny salohy mihamena,

dia nifaly taminy ny foko.

Nizotra ny lala-mahitsy ny tongotro nomba azy;

nanara-dia azy hatramin’ny fahatanorako aho.

16Nanongilan-tsofina taminy kelikely aho dia nandray azy,

ka nahazo fampianarana lehibe ho ahy.

17Tombon-tsoa lehibe no azoko avy aminy;

ka sitrako ny manome voninahitra ilay nanome ahy ny fahendrena.

18Satria tapa-kevitra ny hanaraka azy aho;

nikely aina hanao soa, ka tsy ho very fanantenana.

19Mba ho azy no niadian’ny fanahiko,

sy nanaovako ny asako tamim-pitandremana lehibe.

Nasandratro ny tanako,

ka nalahelovako ny tsy nahalalako azy.

20Notarihiko hankaminy ny fanahiko,

dia nahita azy, noho ny fahadiovan-toetrako.

Niaraka taminy hatramin’ny voalohany aho,

dia nahazo fahalalana,

ka noho izany tsy hoariana aho na oviana na oviana.

21Nientam-po tamin’ny fikatsahana azy aho,

ka nahazo soa sarobidy.

22Nomen’ny Tompo ny fahaiza-miteny ho valisoa aho,

ka hoentiko midera Azy izany.

23Manatòna Ahy ianareo tsy mahalala,

ary aoreno ao an-trano fampianarana ny fonenanareo;

24fa tsy ampy fahendrena ianareo,

ary mangetaheta fatratra ny fanahinareo.

25Miloa-bava sy miteny Aho hoe:

- Raiso tsy amim-bola izany; -

26aondreho eo ambany jioga ny vozonareo,

ary aoka handray fampianarana ny fanahinareo;

fa tsy lavitra no haleha vao mahita azy.

27Aoka hahita maso ianareo, fa niasa kely foana aho,

dia nahita fitsaharana lehibe;

28milatsaha hihaino fampianarana vidina vola be,

fa hahazo volamena be ianareo amin’ny fananana izany.

29Aoka hifaly amin’ny famindram-pon’ny Tompo ny fanahinareo,

ary aza menatra amin’ny fiderana Azy.

30Tanteraho alohan’ny fotoana ny asanareo,

dia homeny valisoa ianareo amin’ny fotoany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help