1Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
2Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
3Nandrendrika masom-bolamena efatra ho azy izy, nataony tamin’ny tongony efatra: masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray, masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray hafa.
4Nanao bao tamin’ny hazo akasià izy, ary nopetahany takela-bolamena.
5Natsofony tamin’ireo masom-bola teo amin’ny lanin’ny fiara ny bao hitondrana azy.
6Nanao fanaovam-panavotana tamin’ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.
7Nanao kerobima volamena roa izy, nataony volamena an-tefiny, tao amin’ny tendrony roa amin’ny fanaovam-panavotana.
8Ny kerobima iray amin’ny tendrony iray ary ny kerobima iray amin’ny tendrony iray hafa, nataony tafahoatra ny fanaovam-panavotana eo amin’ny tendrony roa avy ny kerobima.
9Nivelatra niakatra ny elatry ny kerobima manaloka ny fanaovam-panavotana ary ny tavany mifanatrika, ary ny tavan’ny kerobima mitodika manatrika ny fanaovam-panavotana.
Ny latabatra hasiana ny mofo hatolotra(Jereo 25,23-29)10Hazo akasià koa no nanaovany ny latabatra: roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
11Nopetahany takela-bolamena madio koa izy, ary nasiany tanjo-miolaka volamena manodidina azy.
12Nasiany sisiny iray vody voampelatanana manodidina azy, ary io sisiny io nanaovany tanjo-miolaka volamena manodidina.
13Nandrendrika masom-bolamena efatra izy ary nataony tamin’ny zorony efatra ny masom-bolamena, dia amin’ny tongony efatra.
14Tao akaikin’ny sisiny ny masom-bola hidiran’ny bao hitondrana ny latabatra.
15Ny bao dia nataony tamin’ny hazo akasià nopetahana volamena; izany no nitondrana ny latabatra.
16Nanao fanaka hapetraka eo ambonin’ny latabatra izy, dia ny loviany, ny fitoeran-java-manitra, ny kôpiny ary ny tasiny fanaovam-panatitra araraka; volamena madio no nanaovany an’ireo.
Ny fanaovan-jiro(Jereo 25,31-39)17Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin’ny bokony sy ny voniny.
18Rantsany enina no teo an-daniny roa; ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray; ary ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray hafa.
19Ka ny rantsany voalohany nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; ny rantsany faharoa nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia nisy toy izany avokoa ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.
20Teo amin’ny tahon’ny fanaovan-jiro nisy ravim-boniny efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny:
21bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa voalohany, misampana avy amin’ny fanaovan-jiro; bokony iray teo amin’ny rantsany roa manarakaraka avy amin’ny fanaovan-jiro; ary bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa farany avy amin’ny fanaovan-jiro, araka ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.
22Iray amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony aman-drantsany, fa vongam-bolamena an-tefy iray ihany, volamena madio, no nanaovana azy rehetra manontolo.
23Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampy fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony.
24Volamena madio talenta iray no lany nanaovana ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.
Ny ôtely hasiana ny zava-manitra.Ny menaka fanosorana sy ny zava-manitra(Jereo 30,1-5, 22-25, 34-35)25Hazo akasià no nanaovany ny ôtely fandoroan-java-manitra; iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, efa-joro mitovy lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony, iray aminy ny tandrony.
26Nopetahany takela-bolamena madio izy dia ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony; ary asiany tanjo-miolaka volamena manodidina.
27Nasiany masom-bolamena roa teo ambanin’ny tanjo-miolaka amin’ny rirany roa; nataony teo an-daniny roa ireo, hidiran’ny bao hitondrana azy.
28Hazo akasià, nopetahany volamena, no nanaovany ny bao.
29Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.