Joany 3 - Malagasy Catholic Bible

D. FANAMBARANA NY FANAHY TAMIN’ILAY MPAMPIANATRA AMIN’I ISRAELYDinidinika tamin’i Nikôdema

1Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema, isan’ny lehibe tamin’ny Jody.

2Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: «Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy.»

3Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.»

4Ary hoy i Nikôdema taminy: «Ataon’ny olona ahoana no ateraka indray rehefa antitra izy? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray?»

5Fa hoy i Jesoa: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

6Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

7Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy ateraka indray ianareo.

8Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.»

9Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: «Hatao ahoana no hahatonga izany?»

10Ary hoy i Jesoa taminy: Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va?

11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazànay.

12Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazàko ny zavatra etỳ an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazàko ny any an-danitra?

13Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy Izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona Izay any an-danitra.

14Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa,

15mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

16Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.

18Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.

19Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany.

20Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;

21fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.

II. DIA TANY SAMARIA SY GALILEAFanambaràna farany nataon’i Joany Batista

22Taorian’izany, dia nankany amin’ny tany Jodea i Jesoa sy ny mpianany, ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany, sady nanao batemy ny olona.

23I Joany koa nanao batemy tany Enòna akaikin’i Salima, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy;

24fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany.

25Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany,

26ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: «Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.»

27Dia namaly i Joany ka nanao hoe: «Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.

28Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe: Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy.

29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko,

30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

31Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etỳ an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra;

32ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny.

33Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombokase fa marina Andriamanitra.

34Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.

35Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.

36Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help