Salamo 136 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 136 (Volgata 135)Fisaorana tohy vakana

1Manomeza voninahitra an’i Iaveh, fa tsara Izy,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

2Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny andriamanitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

3Manomeza voninahitra ny Tompon’ny tompo,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

4Izay hany mahavita fahagagana lehibe,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

5Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

6Izay namelatra ny tany eo ambonin’ny rano,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

7Izay nanao ireo fahazavana lehibe,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

8Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

9Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

10Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny voalohan-terany,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

11Nitondra an’i Israely hivoaka avy teo aminy,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

12Tamin’ny tanana mahery sy tamin’ny sandry nahinjitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

13Izay nampisaraka roa ny Ranomasina Mena,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

14Dia nitondra an’i Israely namaky teo afovoany,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

15Ary namarina an’i Faraôna sy ny tafiny

tao amin’ny Ranomasina Mena,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

16Izay nitondra ny vahoakany tany an’efitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony,

17Izay namely mpanjaka lehibe,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

18Ary nahafaty mpanjaka mahery,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

19I Sehôna mpanjakan’ny Amôreana,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

20Sy i Oga mpanjakan’i Basàna,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

21Izay nanome ny tanin’ireny, ho lova,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

22Dia ho lovan’i Israely mpanompony,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

23Izay mahatsiaro antsika, nony voaetry isika,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

24Ka nanafaka antsika tamin’ny mpampahory antsika,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

25Izay manome hanina ny velona rehetra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

26Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra,

fa mandrakizay ny famindram-pony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help