Jôba 22 - Malagasy Catholic Bible

3. TOHIZAN-DAHATENY FAHATELOAraka ny rariny hatrany no anasazian’Andriamanitra.

1Dia niteny i Elifaza, ka nanao hoe:

2«Mety hanasoa an’Andriamanitra va ny olombelona?

Manasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.

3Mampaninona ny Tsitoha, raha marina ianao?

Inona no azony, raha tsy misy diso ny lalanao?

4Noho ny fitiavanao vavaka va no hamaizany anao,

sy ifandaharany aminao amin’ny fitsarana?

5Tsy mihoa-pampana va ny haratsianao,

ary tsy hita isa ny hadisoanao?

6Efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ny rahalahinao ianao,

efa nanendaka ny lamban’ny mihanjaka ianao.

7Ny olona reraky ny hetaheta tsy nomenao rano;

ny noana, tsy nahafoizanao hanina.

8Fa an’ny sandry matanjaka ny tany,

ary izay mana-mpiaro no miorim-ponenana eo.

9Ny mpitondratena nampodianao maina

ary tapaka ny sandrin’ny kamboty.

10Izany no mahavoahodidim-pandrika anao,

ka indro ianao tabatabain’ny horohoro tampoka,

11safotra haizina, tsy mahita,

ary difotry ny rano mangeningenina.

12Tsy any an-tampon’ny lanitra va Andriamanitra?

Jereo ange ny handrin’ny kintana: akory ity haavony!

13Ka hoy ianao: ‹Inona no fantatr’Andriamanitra amin’izany?

Hahay mamantatra ny an-koatry ny rahona matevina va Izy?

14Manjary sarona eo anatrehany ny rahona ka tsy mahita Izy,

fa any amin’ny lanitra boribory any foana no mandehandeha›.

15Mbola tohizanao harahina va ny lalana fahagola

izay nodiavin’ny olona mpanao ratsy fahizany,

16ka nalaina talohan’ny andro voafetra,

ary nindaosin’ny riaka ny fanorenany?

17Fa hoy izy tamin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay Ianao!

Fa inona moa no hain’ny Tsitoha atao aminay.›

18Kanefa Izy no nameno harena ny tranony.

- Lavitra ahy anie, ny fisainan’ny ratsy fanahy! -

19Mahita ny fianjeran’ireny ny marina, ka mifaly,

ary mihomehy azy ny tsy manan-tsiny:

20Indro efa rava ny fahavalontsika!

efa levon’ny afo ny hareny!

21Koa mihavàna amin’Andriamanitra, dia mionòna ianao,

fa izany no hiverenan’ny fiadanana aminao.

22Raiso avy amin’ny vavany ny fampianarana

ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23Ho tafarina ianao, raha miverina amin’ny Tsitoha,

sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao.

24Ario eny amin’ny vovoka ny anja-bolamena,

ary eny amin’ny korontam-bato eny an-dohasahan-driaka, ny volamenan’i Ofira.

25Fa ny Tsitoha no ho volamenanao,

sy ho volafotsy miavosa ho anao.

26Amin’izay dia ny Tsitoha no hankamaminao,

Izy koa no hanandratanao ny tananao.

27Hivavaka aminy ianao dia hohenoiny,

ka hoefainao ny voadinao.

28Raha misy fikasanao hataonao, dia ho tanteraka,

ary ny lalanao hamirapiratam-pahazavana.

29Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: ‹Miandrandrà›,

dia hovonjen’Andriamanitra izay mietry fijery.

30Ny olo-meloka aza hataony afaka,

fa voavonjy amin’ny hadiovan’ny tananao Izy».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help