1 Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana . Salamo.
2Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra;
hirao ny voninahitry ny Anarany,
ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.
3Lazao amin’Andriamanitra hoe: «Endrey, mahatahotra ny asanao!
Mikoy Anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.
4Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao,
hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»
5Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra!
Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.
6Nampodiny ho tany maina ny ranomasina,
ka nandeha tongotra namaky ny ony ny olona,
dia faly taminy izahay.
7Manjaka mandrakizay amin’ny fahefany Izy,
mitsinjo ny firenena ny masony;
aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy.
- Selà
8Misaora an’Andriamanitra, ry vahoaka,
ataovy manakoako ny fiderana Azy.
9Nitahiry ny fanahintsika amin’ny fiainana Izy
ary tsy namela ny tongotsika hangozohozo.
10Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay;
nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy;
11nampiditra anay tamin’ny fandrika harato;
nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay.
12Nampandeha olona hanosy ny lohanay
namaky ny afo sy ny rano izahay;
kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa.
13Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho,
hanefa aminao ny voadiko,
14izay efa notononin’ny molotro,
sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana,
mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy;
mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy
ho sorona dorana aho.
- Selà
16Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo,
ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra,
izay nataony ho an’ny fanahiko
17Niloa-bava nitaraina taminy aho,
ary teo ambony lelako ny fiderana Azy.
18Raha nahita ota tao am-poko aho,
dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo.
19Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho,
efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy.
20Hisaorana anie Andriamanitra,
izay tsy nandà ny fivavahako,
na nanaisotra ny fahasoavany tamiko!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.