1Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao;
ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao,
ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany,
ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
2Mitady Ahy isan’andro isan’andro izy ireo,
samy maniry hahalala ny lalako,
mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny,
sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory.
Mangataka fitsarana marina amiko izy,
ary maniry hohatonin’Andriamanitra:
3«Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany,
sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany?»
Amin’ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo;
ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.
4Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady,
ary mamely totohondry an-katezerana aza!
Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany,
tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.
5Moa izany va no fifadiana ankasitrahako?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro,
sy mandry amin’ny lasàka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahin’i Iaveh?
6Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahoriana ho afaka;
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
7Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va;
sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
8Amin’izany ny fahazavanao
hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao, hialoha lalana anao;
ny voninahitr’i Iaveh ho vodilalanao.
9Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!»
Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga,
ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
10raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferinaina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
11ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay;
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao,
sy ho tahaka ny loharano velona,
tsy manam-paharitana.
12Ny taranakao hanorina indray ny rava ela;
ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola;
ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga,
mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.
Ny sabata13Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata,
amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina,
raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana,
sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina.
Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao
sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;
14dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany;
sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany,
sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao;
fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.