1Izao no lazain’i Iaveh:
«Noho ny heloka telo nataon’i Moaba,
- sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria nodorany ny taolan’ny mpanjakan’i Edôma, nataony zary sokay,
2dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho,
ka handevona ny lapan’i Kariota izany;
ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be,
sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.
3Hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy
ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpifehy ao aminy,» hoy i Iaveh.
I Jodà4Izao no lazain’i Iaveh:
«Noho ny heloka telo nataon’i Jodà,
- sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria nanary ny lalàn’i Iaveh izy,
sady tsy nitandrina ny didiny,
ka nety havilivilin’ny sampin-daingany,
dia ireo izay narahin’ny razany,
5dia handefa ny afo ho ao amin’i Jodà Aho
ka handevona ny lapan’i Jerosalema izany.»
6Izao no lazain’i Iaveh:
«Noho ny heloka telo nataon’i Israely
- sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria namidiny vola ny marina;
ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
7satria iriny mafy ny hahita ny vovo-tany
eo an-dohan’ny olona ory;
sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika;
satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany
mba handotoany ny Anarako masina;
8satria lamba azony tamin’ny tsatòka no iamparany
eny anilan’ny ôtely rehetra eny;
ary ny divay avy amin’izay nosaziny lamandy no sotroiny
ao an-tranon’ny andriamaniny.
9Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana
izay avo be hoatra ny sedera,
sy matanjaka hoatra ny oaka.
Noravako avokoa ny voany teny ambony,
sy ny fakany teo ambany.
10Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho,
sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra,
mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.
11Nanangana mpaminany, tamin’ireo zanaka lahinareo Aho,
sy nazareanina tamin’ireo zatovonareo,
sa tsy izany va, ry zanak’i Israely?»
- teny marin’i Iaveh. -
12«Kanjo ny nazareanina nampisotroinareo divay;
ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!
13Indro Aho efa hanosihosy anareo,
hoatra ny fanosihosin’ny sarety
raha feno amboara.
14Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra;
ary ny matanjaka, tsy hahavonjy ny ainy;
15ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra;
ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka;
ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.
16Ary ny mahery fo amin’ny mahery
handositra miboridana amin’izany andro izany»,
- teny marin’i Iaveh. -
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.