1Tononkira dia tononkira, nataon’i Salômôna.
Ny ampakarina2Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy!
Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;
3soa ny hanitry ny zava-manitrao,
diloilo mamerovero ny anaranao,
izany no itiavan’ny zatovo vavy anao.
4Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!
Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho,
hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,
hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.
An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
TONONKALO VOALOHANYNy ampakarina5Mainty aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, nefa tsara tarehy.
Sahala amin’ny lain’i Sedera, tahaka ny trano lain’i Salômôna.
6Aza ny hamaintiko no jerena,
fa ny hainandro no nampivalomainty ahy:
tezitra tamiko ny zanak’i neny;
nasainy niandry tanimboaloboka aho,
ny tanimboaloboko, ny ahy, tsy mba nandrasako.
7Lazao ahy, ry malalan’ny foko
izay iandrasanao ny ondrinao,
izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro,
mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho,
eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.Antoko-mpihira
8Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy,
mandehana manaraka ny biby fiompinao,
dia andraso eny akaikin’ny trano bongon’ny mpiandry ondry, ny zanak’osinao.
Mpampakatra9Amin’ny soavaly vaviko mitarika ny kalesin’i Faraôna
no ampitahàko anao, ry malalako.
10Tsara ny takolakao voahodidin’ireo fehivozona,
soa ny vozonao, voahodidin’ireo voahangy maro andalana.
11Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.
Ampakarina12Raha teo amin’ny saofàny indrindra iny ny mpanjaka
no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.
13Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapo kely,
izay miondana eo an-tratrako.
14Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho,
any an-tanimboalobok’i Engadi!
Mpampakatra15Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao!
Masom-boromahailala, ny masonao.
Ampakarina16Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako,
eny mahafinaritra ianao.
Ny farafarantsika dia farafara zava-maitso.
Mpampakatra17Sedera ny sakamandimbin-tranontsika;
sipresy ny peta-drindrintsika.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.