Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 1 - Malagasy Catholic Bible

Sasin-teny

1Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany Anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;

2ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy, araka ny zavatra rehetra hitany.

3Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.

I. Taratasy ho an’ireo Fiangonana any AziaFiarahabana

4Mamangy ny Eglizy fito any Azia aho, Joany: ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany;

5ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,

6sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron’Andriamanitra Rainy, eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay doria. Amen.

7Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.

8Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.

Fahitana nanomanana an’i Joany

9Izaho Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy, dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmosy, noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa.

10Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,

11nanao hoe: «Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea.»

12Dia niherika nankany amin’ilay feo niteny tamiko aho, ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro, maro rantsana.

13Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany;

14ny lohany sy ny volony dia fotsy toy ny volon’ondry fotsy, ary mangatsakatsaka toy ny oram-panala; ny masony tahaka ny lelafo;

15ny tongony toy ny varahina manganohano voadio tamin’ny memy afo, ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be.

16Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.

17Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;

18efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.

19Koa soraty ny zavatra efa hitanao, sy izay ankehitriny, ary izay mbola ho avy koa any aoriana;

20izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help