1Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka tamin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory tany Jerosalema, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka.
2Ary nitsangana i Jôsoe, zanak’i Josedeka, mbamin’ny mpisorona rahalahiny sy i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, mbamin’ny rahalahiny, ka nanorina ny ôtelin’ny Andriamanitr’i Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, olon’Andriamanitra.
3Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.
4Nanao fetin’ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan’andro isan’andro, araka ny isany voadidin’ny lalàna hatao isan’andro.
5Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin’ny voalohan’ny volana sy amin’ny fety rehetra voatokana ho an’i Iaveh, ary ny avy amin’izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
6Hatramin’ny andro voalohan’ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy ireo; ny fototry ny tempolin’i Iaveh anefa dia mbola tsy nalatsaka.
7Nomem-bola ny mpipai-bato ama-mpandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidonianina sy ny Tirianina, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin’ny ranomasina, hatreo Jôpe, araka ny fanomezan-dalana azo tamin’i Sirosa mpanjakan’i Persa.
8Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh.
9Dia indray nivonona ny Levita: i Jôsoe mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny, i Kedmiela, mbamin’ireo zanany, zanak’i Jodà, hitarika an’izay niasa nanao ny asa momba ny tranon’Andriamanitra; torak’izany koa ny taranak’i Henadada, mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny; samy Levita avokoa izy.
10Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely.
11Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.
12Tamin’ny nandatsahana ny fototr’izany trano izany teo imason’izy ireo anefa, dia maro tamin’ny mpisorona sy ny Levita mbamin’ny loham-pianakaviana efa antitra, izay nahita ilay trano taloha no nitomany nigogogogo. Betsaka koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly,
13hany ka tsy hain’ny vahoaka navahana izay hobin-kafaliana sy izay feo fitomanian’ny vahoaka, fa samy niantsoantso tamin’ny feo mafy dia mafy ny vahoaka, ka re lavitra ny horakoraka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.