2Timote 4 - Malagasy Catholic Bible

Fiangaviana amin’ny fomba manetriketrika

1Izao no angatahina aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:

2mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,

3Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy;

4dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.

5Fa ianao kosa, malìna amin’ny zavatra rehetra, miareta amin’ny fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao.

I Paoly eo amin’ny faran’ny fiainany

6Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako.

7Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho;

8hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.

Fara hafatra

9Tongava faingana atỳ amiko ianao; fa nilaozan’i Demasy aho, noho ny fitiavany an’izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalonika izy.

10I Kresensy lasa nankany Galasia, ary i Tito any Dalmasia,

11i Lioka irery no eto amiko, ka alao i Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy.

12I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy.

13Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy ao amin’i Karposy rehefa mankatỳ ianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra.

14Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.

15Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.

16Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!

17Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.

18Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

Veloma sy firariana farany

19Veloma any amin’i Priska sy i Akilasy ary ny fianakavian’i Onesifôro.

20Nijanona any Kôrinto i Erasta; ary navelako any Mileto i Trôfima fa narary.

21Aza ela, fa tongava atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobôlo, sy i Pôdensy, sy i Lino, ary i Klaodià, mbamin’ny havana rehetra iray finoana.

22Ho ao amin’ny fanahinao anie i Jesoa Kristy Tompo. Ary ho ao aminareo anie ny fahasoavana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help