Tobia 5 - Malagasy Catholic Bible

5. Ilay namana

1Tamin’izay dia hoy ny navalin’i Tobia an-drainy: «Hataoko avokoa izay rehetra nasainao hataoko, ry dada.

2Fa izay hahazoako mandray izany vola izany no tsy fantatro. Izany lehilahy izany tsy mahalala ahy, izy koa tsy fantatro, ka inona no famantarana homeko azy? Ny lalana mankany amin’izany tany izany aza tsy fantatro akory.»

3Dia hoy ny navalin-drainy azy: «Eto an-tanako ny sorany, ka raha vantany vao asehonao azy dia averiny aminao ny vola.

4Fa mandehana amin’izao aloha mitady olona mahatoky hokaramaina hiaraka aminao, mba hahazoanao izany vola izany, dieny mbola velona aho».

5Vao nivoaka i Tobia, dia nahita tovolahy tsara tarehy anankiray, mitsangana sady mietra toa olona vonon-kandeha.

6Tsy fantany ho Anjelin’Andriamanitra io, ka noarahabainy, dia hoy izy: «Avy aiza ianao, ry zatovo soa?»

7Ary namaly ny Anjely nanao hoe: «Avy amin’ny zanak’i Israely aho.» Ka hoy i Tobia taminy: «Mahalala ny lalana mankany amin’ny tanin’ny Meda va Ianao?»

8Dia hoy ny navaliny: «Fantatro, fa efa niverimberina matetika amin’ireo lalana rehetra ireo aho, ary efa niantrano tao amin’i Gabelosa rahalahintsika aho, dia ilay monina ao Ragesa, tanànan’ny Meda; miorina ao amin’ny tendrombohitr’i Ekbatàna.»

9Ka hoy i Tobia taminy: «Aza mahafady, mba andraso kely aho; mandra-pilazako izany amin’i Dada.»

10Dia niditra nilaza izany rehetra izany tamin-drainy i Tobia. Gaga terỳ rainy, sady nasainy nampandrosoina razazalahy.

11Dia niditra izy ary niarahaba nanao hoe: «Ho aminao mandrakariva anie ny hafaliana!»

12Fa hoy kosa ny navalin’i Tobia: «Hafaliana inona moa no mba mety hananako, izay izaho mitoetra ao anatin’ny haizina sy tsy mba mahita izay hazavan’ny lanitra akory.»

13Ary hoy ity tovolahy taminy: «Matokia tsara, fa mora amin’Andriamanitra ny manasitrana anao.»

14Raha efa izany dia hoy i Tobia taminy: «Mba azonao atao indrindra va ny hitarika ny zanako ho any amin’i Gabelosa, any Ragesa, tanànan’ny Meda? Fa rehefa tafaverina ianao dia homeko ny karamanao.»

15«Hitari-dalana azy aho, hoy ny navalin’ny Anjely, ary hitondra azy miverina ho atỳ aminao koa.»

16Ary hoy i Tobia taminy: «Raha sitrakao, mba lazao ahy kely, fianakavian’iza moa ianao ary fokon-jovy?»

17Fa hoy ny Anjely Rafaely namaly azy: «Fa ny fianakaviam-pikarama ve no tadiavinao, sa ny tenan’ny mpikarama hiaraka amin-janakao?

18Mba hahafaka ahiahy anao anefa, dia izaho no Azariasa, zanak’i Anania malaza.»

19«Taranak’Andriana izany ianao,» hoy i Tobia taminy, «ka mifona aminao aho, noho ny naniriako hahalala izay fianakavianao.»

20Ary hoy ity Anjely taminy: «Hotarihiko soa aman-tsara ny zanakao, dia hoentiko miverina soa aman-tsara indray.»

21Notohizan’i Tobia izay, nataony hoe: «Ho tsara mandroso, tsara miverina anie ianareo! Ho any amin’ny lalanareo anie Andriamanitra, ary homba anareo anie ny Anjeliny.»

22Nony voaomana ny zavatra rehetra hoentiny any amin’ny dia halehany, nanao veloma an-drainy sy reniny i Tobia, dia niara-niainga tamin’ity Anjely.

23Nony lasa izy ireo, dia rafitra nitomany ireniny, nanao hoe: «Nesorinao tamintsika ny tohan’ny fahanterantsika, ka nampanalavirinao antsika.

24Inay anie, Andriamanitra, ka tsy nisy na oviana na oviana izany vola nanirahanao azy izany.

25Fa efa ampy ho antsika izao fahantrantsika izao, ary ny mahita ny zanatsika no mba harena ho antsika.»

26Dia namaly azy i Tobia nanao hoe: «Aza mitomany, fa ho tonga soa aman-tsara ny zanatsika, ho tafaverina soa aman-tsara atỳ amintsika izy, ka hahita azy indray ny masonao.

27Satria inoako fa misy Anjely soan’Andriamanitra anankiray momba azy, ary alamin’izay soa aman-tsara avokoa ny zavatra rehetra tonga aminy, ka ho tafaverina an-kafaliana atỳ amintsika izy.»

28Rehefa nandre an’izany ireniny, dia tsy nitomany intsony fa nangina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help