Zakaria 9 - Malagasy Catholic Bible

FIZARANA FAHAROANy tany vaovao

1Teny fitsarana.

Tenin’i Iaveh mamely ny tany Hadràky;

ary ao Damasa no ho fonenany,

- fa ny mason’i Iaveh dia eo amin’ny olona,

sy eo amin’ny fokon’i Israely rehetra; -

2ary koa ao Hamata, mifanolotra amin’i Damasa,

sy ao Tira mbamin’i Sidona,

satria be fahendrena izy.

3I Tira dia nanao trano mimanda ho azy,

nanangona volafotsy hoatra ny vovoka,

sy volamena hoatra ny fotaka eny an-dalambe.

4Indro fa ho azon’ny Tompo izy io;

hasiany ny heriny eny amin’ny ranomasina,

ary ny tenany ho levonin’ny afo.

5Hahita izany i Askalôna, ka hatahotra;

i Gazà koa hiolanolana azon’ny fijaliana;

ary i Akarôna koa, fa efa ho levona ny fanantenany.

I Gazà, tsy hana-mpanjaka intsony,

ary tsy honenana intsony i Askalôna.

6Vahiny tsy manjary no haka fonenana ao Azota,

ary hofoanako ny avonavon’ny Filistinina.

7Hoesoriko avy any am-bavany ny rany;

ary avy eo anelanelan’ny nifiny ny fahavetavetany;

ka izy koa dia ho sisa ho an’ny Andriamanitsika;

ho toy ny lohany amin’i Jodà,

ary i Akarôna ho toy ny Jeboseanina.

8Hitoby manodidina ny tranoko Aho;

hiaro azy amin’ny tafika rehetra sy amin’ny mpandehandeha rehetra;

ka tsy hisy mpampahory hamaky eo aminy intsony,

fa ny masoko no efa nahita ankehitriny.

Ny Mesia

9Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna!

Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema.

Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao;

marina izy sady arovan’Andriamanitra;

manetry tena mitaingina ampondra

dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.

10Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima,

mbamin’ny soavaly ao Jerosalema,

ary hopotehina ny tsipìka fiadiana.

Hilaza fiadanana amin’ny firenena izy;

ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina

ka hatramin’ny ranomasina;

ary hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

Fiarenan’i Israely

11Ho anao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao,

no efa hamoahako ny mpifatotrao, avy ao an-davaka tsy misy rano.

12Miverena ho ao amin’ny fitoerana mimanda,

ianareo babon’ny fanantenana.

Mbola lazaiko anio izao:

Indroa heny no haveriko aminao.

13Fa henjaniko ho Ahy i Jodà,

ary ataoko amin’ny tsipìka i Efraima.

Hamporisika ny zanakao Aho, ry Siôna,

hiady amin’ny zanakao, ry Javàna,

ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.

14Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh,

hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany.

Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh,

ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.

15Harovan’i Iavehn’ny tafika izy ireo;

ka handevona, hanitsakitsaka ny vaton’antsamotady,

hisotro, hihavatràvatra toy ny azon-divay,

ary ho feno toy ny kapoaka fisoronana,

toy ny tandroky ny ôtely.

16I Iaveh, Andriamaniny, no ho famonjena azy ireo,

amin’izany andro izany;

dia ho famonjena ny andian’ondry izay vahoakany;

izy ireo ho toy ny vaton-tsatroboninahitra,

hamirapiratra eo amin’ny taniny.

17Endrey izany fandrosoana,

endrey izany hatsaran-tarehin’izy ireo!

Ny vary, hampitombo ny zatovo,

ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help