Salamo 64 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 64 (Volgata 63)Sazin’ny mpanendrikendrika

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2Andriamanitra ô, henoy ny feoko,

raha mampandre ny fitarainako aho,

arovy amin’ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.

3Fefeo aho, tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy,

tsy ho azon’ny andian’olon-dratsy efa misafoaka,

4izay manasa ny lelany toy ny sabatra,

izay manamboatra ny zana-tsipìkany - izay teny mangidy -

5handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny;

alefany hamelezany azy tampoka, tsy manan-tahotra akory.

6Mihombo mafy amin’ny hevi-dratsiny izy;

mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy;

ka manao hoe: «Iza moa no hahita izany?»

7Tsy misaina afa-tsy heloka be vava izy:

«Vonona isika, hoy izy, vita tsara ny tetik’ady.»

Lalina ny ao anatin’ny olombelona sy ny fony!

8Kanjo kosa nolefasan’Andrimanitra ny zana-tsipìkany izy ireo,

ka indreo izy maratra tampoka.

9Azera amin’ny tany izy, voatsingidin’ny vava nalefany izy.

Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.

10Raiki-tahotra avokoa ny olona,

ka manely laza ny nataon’Andriamanitra,

fa fantany izay efa nataony.

11Dia mifaly amin’i Iaveh sy mitoky aminy ny marina;

mirehareha avokoa ny mahitsy fo rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help