1Sambatra ny olona tsy nanota tamin’ny vavany,
Izay tsy mangan’ny nenina noho ny fahotana!
2Sambatra izay tsy helohin’ny fanahiny,
ka tsy mba very fanantenana ny Tompo!
Fitsiriritana sy fahihirana(Jereo Mpit 5,9; 6,2)3Tsy mahasoa ny harena, amin’ny olona kafiry velona;
ary inona no asan’ny harena amin’ny olona be fialonana?
4Manangona ho an’ny hafa,
izay manangona mahihitra ho an’ny tenany,
ka ny hafa no mivelona amim-piadanana, amin’ny hareny.
5Amin’iza no halemy fanahy izay loza be amin’ny tenany?
Tsy mba hiadana amin’ny rakitry ny tenany izy.
6Tsy misy ratsy mihoatra noho izay mifady ny zavatra rehetra,
ary izany no tamby tandrifin’ny haratsiany.
7Raha misy soa mba ataony, dia tsy fanahy iniana,
ary hihariharian’ny haratsiany no iafarany.
8Olon-dratsy izay mijery amin’ny maso misy fialonana,
ka mihodivitra sy maneso ny fanahin’olona.
9Tsy afa-pon’izay anjara tokana ny mason’ny kahihitra,
ary mainan’ny fitsiriritana mandoza ny fanahy.
10Minia tsy homan-kanina ny maso ratsy
11Anaka, manaova soa ny tenanao, araka izay anananao,
ary manolora fanatitra mendrika, amin’ny Tompo.
12Tsarovy fa tsy ela ny fahafatesana,
ary tsy nambara taminao ny didim-paneken’ny Seoly;
ary noana eo anoloan’ny fihinany izy.
13Manaova soa amin’ny sakaizanao, alohan’ny hahafatesanao,
ary mitsora tanana, hanome azy, araka ny anananao.
14Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana,
ary aza avela hisy latsaka, ny faniriana tsara, na tapany aza.
15Moa tsy avelanao ho an’ny hafa va, ny vokatry ny fisasaranao?
Moa tsy hotapahina amin’ny filokana na an’iza na iza ny vokatry ny hasasaranao?
16Manomeza ary mandraisa, ka ampifalio ny fonao,
fa tsy misy hitadiavana izay fiadanana, any amin’ny Seoly.
17Mihatonta toy ny fitafiana ny nofo rehetra,
ary lalàna navoaka hatramin’ny voalohany: ho faty tokoa ianao.
18Toy ny ravina maitso eo amin’ny hazo be ravina;
ny sasany ahintsany, ny sasany ampaniriny;
toy izany ny taranaky ny nofo aman-dra;
ny sasany maty, ny sasany vao velona.
19Levona no hiafaran’ny asa mety levona rehetra,
ary ho lasa miaraka aminy koa izay nanao azy.
Hasambaran’ny hendry20Sambatra ny olona misaintsaina ny amin’ny fahendrena,
sy miteny amim-pahaizana mitsara zavatra;
21izay mieritreritra ny lalany ao am-pony,
ary mandinika ny zava-miafina ao aminy:
22manenjika azy (fahendrena) mova tsy ny mpihaza,
mihendry ny fidirany.
23Miondrika hijery eo am-baravarankeliny,
mihaino eo am-baravarany.
24Miorim-ponenana manolotra ny fonenany indrindra,
manatsatoka ny tsima-dainy eo amin’ny rindriny,
25Manangona ny lainy, manolotra azy,
ary monina ao an-trano misy ny fahasambarana.
26Mametraka ny zanany eo ambany fiarovany,
ary mialoka eo ambanin’ny sampany.
27Ho voaaro amin’ny hafanana izy eo amin’ny alokalony,
ary hiala sasatra ao anatin’ny voninahitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.