1Ary nivory teo amin’i Davida tany Hebrôna i Israely rehetra nanao hoe: «Indro fa taolanao sy nofonao izahay.
2Taloha fony mbola nanjaka aza i Saola, dia efa nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra ianao. Ary hoy i Iaveh Andriamanitrao taminao: ‹Ianao no ho mpiandry an’i Israely vahoakako, ary ianao no ho mpanapaka an’i Israely vahoakako.› »
3Dia tonga teo amin’ny mpanjaka, tany Hebrôna, ny loholon’i Israely rehetra, ary i Davida nanao fanekena tamin’izy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, tany Hebrôna, ary izy ireo nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’i Samoela.
Ny nahazoana an’i Jerosalema(Jereo 2Sam 5,4-10)4Dia nandeha i Davida mbamin’i Israely rehetra hamely an’i Jerosalema, izany hoe i Jebosa; tao ny Jeboseanina mponina tamin’ny tany.
5Fa hoy ny mponina tao Jebosa tamin’i Davida: «Tsy ho tafiditra eto ianao.» Afak’i Davida ihany anefa ny trano mimandan’i Siôna: izany no tanànan’i Davida.
6Ary hoy i Davida: «Na iza na iza handresy voalohany ny Jeboseanina dia izy no ho lehibe sy filohany.» Ary i Jôaba zanak’i Sarvià no niakatra voalohany, ka izy no tonga lehibe.
7Dia nitoetra tao anatin’ny trano mimanda i Davida, ka izany no niantsoana azy hoe: tanànan’i Davida.
8Nanorina ny tanàna tamin’ny manodidina hatrany i Melao sy ny eny akaiky eny izy, ary i Jôaba namboatra ny sisa tamin’ny tanàna.
9Koa nandroso nihalehibe ihany i Davida, ary nomban’i Iavehn’ny tafika izy.
Ireo mahery fon’i Davida(Jereo 2Sam 23,8-39)10Ireo no lehiben’ny lehilahy mahery izay tao amin’i Davida, ka nanampy azy niaraka tamin’i Israely rehetra nandritra ny andro nanjakany, sady efa nampanjaka azy izy araka ny tenin’i Iaveh ny amin’i Israely.
11Dia izao no isan’ny lehilahy mahery tao amin’i Davida: i Jesbôama, zanak’i Hakamonì, lehiben’ny Telopolo lahy: izy no nampandihy ny lefony tamin’ny olona telon-jato lahy, izay novonoiny tamin’ny indray mandeha monja.
12Ny manarakaraka azy dia i Eleazara, zanak’i Dôdô, i Ahôhita; anisan’izy telo lahy mahery izy.
13Izy no nomba an’i Davida tany Fesy-Domima, ary nivory teo ny Filistinina mba hiady; nisy toerana anankiray feno orja teo, ary vaky nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny vahoaka.
14Lasa nankeo afovoan’ny saha izy ireo, niaro azy sy nandresy ny Filistinina, dia nanao famonjena lehibe i Iaveh.
15Nisy telo lahy tamin’ireo kapiteny telopolo lahy nidina nankany amin’i Davida teo amin’ny vatolampy, tany an-johin’i Odolama, ary ny tobin’ny Filistinina tamin’izay dia tafaorina tao amin’ny lohasahan’i Refaima.
16Tao amin’ny trano mimanda i Davida tamin’izay ary nisy antoko-miaramilan’ny Filistinina tany Betlehema.
17Nanam-paniriana i Davida ka nanao hoe: «Iza no mba hampisotro ahy rano avy amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema?»
18Niaraka tamin’izay ireo teo lahy ireo dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany i Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, ary hoy izy:
19«Sanatria raha hanao izany aho! Ra aman’ain’ireo olona ireo ve, ka dia hosotroiko? Fa ny ainy no nataony vy very, hitondrany an’ity!» Dia tsy nety nisotro izy. Izany no nataon’izy telo lahy mahery ireo.
20I Abisaï, rahalahin’i Jôaba lehiben’ny Telopolo lahy, dia nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy telon-jato, ka nahafaty an’ireo, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy.
21Amin’izy telopolo lahy faharoa, dia izy no malaza indrindra, ka lehiben’izy ireo, nefa tsy nahomby an’irerỳ telopolo lahy voalohany izy.
22I Banaiasa zanak’i Jôiadà zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela. Izy no namely ireo Ariela roalahy avy any Moaba. Indray andro nisy oram-panala izay, dia nidina izy ka namely ilay liona tao amin’ny lavaka famorian-drano.
23Izy no nahafaty ny Ejiptianina anankiray, izay dimy hakiho no halavany, ary nisy lefona sahala amin’ny voditenon’ny mpanenona tao an-tanan’ny Ejiptianina. Nitondra tehina izy nankany aminy ary ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptianina no nosarihiny, dia novonoiny tamin’ny lefony indrindra izy.
24Izany no nataon’i Banaiasa zanak’i Jôiada, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy mahery izy.
25Nalaza noho izy telopolo lahy izy. Nataon’i Davida isan’ny mpanolo-tsaina azy manokana izy.
26Lehilahy mahery tamin’ny foloalindahy: i Asaela rahalahin’i Jôaba, i Elkanàna zanak’i Dôdô, avy any Betlehema;
27i Samôta avy any Arôry, i Helesa avy any Falôna,
28i Irà zanak’i Aksesa avy any Tekôe, i Abiesera, avy any Anatôta;
29i Sobokay Hosatita, i Ilaì Ahôlita,
30i Maharay avy any Netôfa, i Heleda zanak’i Baanà, ary i Netofà;
31i Etay, zanak’i Ribaì avy any Gabaàn’ny taranak’i Benjamina, i Banaia avy any Faratôna.
32I Horay avy any amin’ny lohasahan’i Gaasa, i Abilae avy any Arabà, i Azmaveta avy any Baorima, i Eliaba avy any Salabôna,
33i Bene-Asema avy any Gezôna, i Jonatàna zanak’i Sage avy any Arara;
34i Ahiama zanak’i Sakara avy any Arara;
35i Elifala zanak’i Ora,
36i Hefera avy any Mekerà;
37i Ahià avy any Felôna, i Hesrao avy any Karmela;
38i Naaraỳ zanak’i Asbaỳ, i Joela rahalahin’i Natàna, i Mibohara zanak’i Agaraỳ;
39i Sekela Ammônita, i Naaraỳ avy any Berôta, mpitondra fiadian’i Jôaba zanak’i Sarvià;
40i Irà, avy any Jetera, i Gareba avy any Jetera;
41i Oria Heteanina, i Zabada zanak’i Oholỳ,
42i Adìna, zanak’i Sirà Robenita, lehiben’ny Robenita, ary telopolo lahy niaraka taminy,
43i Hanàna zanak’i Maakà, i Jôsafata avy any Matàna;
44i Ozia avy any Astarôta, i Samà sy i Jehiela zanak’i Hôtama avy any Arôera;
45i Jedihela zanak’i Sarỳ, i Jôhà Tosaita, rahalahiny;
46i Eliela avy any Mahoma, i Jeribaỳ sy i Jôsaiasa zanak’i Elnaema, i Jetmà Moabita, i Eliela sy i Obeda ary i Jasiela avy any Masôbià.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.