Jenezy 9 - Malagasy Catholic Bible

Fanekem-pihavanana vaovao

1Dia nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.

2Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin’ny tany rehetra, ny vorona eny amin’ny habakabaka rehetra, ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany, mbamin’ny hazandrano rehetra anaty ranomasina; efa natolotra eo an-tananareo ireny.

3Ho fihinana ho anareo avokoa rehefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.

4Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy, izany hoe ny rany.

5Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.

6Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.

7Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo; mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.»

8Hoy koa Andriamanitra tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy:

9«Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,

10amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra, hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.

11Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho: tsy hisy levon’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano handringana ny tany intsony.»

12Dia hoy Andriamanitra: «Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin’ny taranaka ho avy rehetra:

13Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.

14Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana.

15Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin’ny zava- manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo- drano mandringana ny nofo rehetra intsony.

16Ho eo amin’ny rahona ny avana, ka ny fijerena azy dia hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay amin’Andriamanitra sy amin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ambonin’ny tany.»

17Ary hoy Andriamanitra tamin’i Nôe: «Izany àry no famantarana ny fanekena naoriko amiko sy amin’ny nofo rehetra ambonin’ny tany.»

III TAORIAN’NY SAFODRANO KA HATRAMIN’I ABRAHAMAI Nôe sy ny zanany telo lahy

18Ny zanak’i Nôe nivoaka tao an-tsambo fiara dia i Sema sy i Kama ary i Jafeta; ary i Kama no rain’i Kanaana.

19Izy telo lahy ireo no monina amin’ny tany rehetra.

20Mpiasa tany i Nôe, ka nanomboka namboly voaloboka izy.

21Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy.

22Nahita ny fitanjahan-drainy i Kama, rain’i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin’izy roa lahy rahalahiny.

23Fa noraisin’i Sema sy i Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin’ny sorony, dia nanao dia mianòtra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy.

24Niamboho ny tavan’izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin’ny hamamoany i Nôe dia nahare izay nataon-janany faralahy taminy,

25ka hoy izy:

«Ho voaozona anie i Kanaana.

Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.»

26Hoy indray izy:

«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema

Ary aoka ho andevony i Kanaana.

27Hataon’Andriamanitra malalaka anie i Jafeta.

Aoka izy honina ao an-dain’i Sema.

Ary aoka ho andevony i Kanaana.»

28Mbola velona dimampolo sy telon-jato taona i Nôe taorian’ny safo- drano.

29Ary dimampolo sy sivin-jato taona ny andro rehetra niainan’i Nôe, dia maty izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help