Izaia 22 - Malagasy Catholic Bible

Teny famelezana ny hafanam-pon’i Jerosalema be loatra

1Faminaniana ny amin’i Lohasahan’ny fahitana.

Maninona ity ianao, no miakatra

ambony tafon-trano avokoa,

2ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba,

ry vohitra miravoravo?

Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra,

na lavo an’ady.

3Ny lehibenao indray nandositra avokoa,

voasambotra tsy amin-tsipìka;

ny vahoakanao indray azo avokoa,

teny am-pandosirana any lavitra any.

4Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy,

aoka hitomany mafy aho!

Aza maimay hampionona ahy,

noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»

5Fa andron’ny tabataba,

fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity,

ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika,

ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana;

ravana ny manda,

misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.

6I Elama mandray ny tranon-jana-tsipìka,

tamy izy mitondra kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly;

ary Kira nanala fono ny ampingany.

7Feno kalesy ny lohasahanao tsara indrindra;

ary mitana fitoerana eo am-bavahadinao,

ny mpitaingin-tsoavaly.

8Nalana tamin’i Jodà ny fisalobonany.

Teny famelezana ny fiomanan’ny tafika

Amin’izany andro izany dia manopy maso ianao,

mankany amin’ny fitahirizam-piadiana ao an-dapan’ny ala,

9ary ny banga amin’ny tanànan’i Davida,

hitanareo fa betsaka.

Novorinareo ny rano amin’ny kamory ambany,

10nisainareo ny trano ao Jerosalema

ary noravanareo ny trano hamboarana ny manda.

11Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo,

halehan’ny rano avy amin’ny kamory tranainy.

Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory,

Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.

12Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo,

tamin’izany andro izany,

hitomany sy higogogogo,

hibory loha sy hisikina lasàka.

13Kanjo fety amam-piravoravoana no hita;

manominda omby ny olona, mamono ondry,

mivoky hena sy misotro divay, manao hoe:

«Aoka hihinana sy hisotro isika,

fa ho faty ihany rahampitso.»

14Izao no nambaran’i Iavehn’ny tafika tamiko:

«Tsy havela izany helokareo izany,

mandra-pahafatinareo»,

hoy ny Tompo Iavehn’ny tafika.

Teny famelezana an’i Sobnà

15Izao no nolazain’ny Tompo Iavehn’ny tafika:

«Mandehana manatona an’io mpitandrina io,

dia i Sobnà, lehiben’ny ao an-dapa, ka lazao aminy hoe:

16Fa inon’ny atỳ ianao, ary inonao no atỳ,

no mihady fasana eto ianao;

mihady fasana ho anao eny amin’ny toerana avo ianao;

mandoaka fonenana ho anao amin’ny vatolampy ianao?

17Indro i Iaveh hanipy anao amin’ny sandry mahery;

18hanasangodina anao,

hanakodiadia anao mafy, hikodiavanao hoatry ny baolina,

eny amin’ny tany lemaka midadasika be.

Dia ho faty any ianao, ho any koa ny kalesy kantonao,

ry ilay henatry ny ankohonan’ny tompony ity.

Teny hafa famelezana an’i Sobnà

19Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao,

haongan’i Iaveh amin’ny raharahanao ianao.»

20Ary izao no hitranga amin’izany andro izany:

Hiantso ny mpanompoko aho, dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,

21ka hampiakanjoako azy ny akanjo vitinao,

hampanaoviko azy ny samboadinao;

hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao;

dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema,

sy amin’ny taranak’i Jodà.

22Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida,

ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina;

handrindrina izy, tsy hisy hamoha.

23Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny fitoerana mafy izy,

ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.

Antambo hanjò ny fianakavian’i Eliakima

24Hahantona aminy avokoa ny voninahitra rehetra

amin’ny fianakavian-drainy,

dia ny zanaka aman-jafy,

ny fanaka madinika rehetra,

hatramin’ny kopy ka hatramin’ny sinibe.

25Amin’izany andro izany -

teny ton’i Iavehn’ny tafika,-

hotsoahana ilay fantsika natsatoka amin’ny fitoerana mafy;

hombotana izy ka hianjera,

dia ho levona ny entana nahantona taminy;

fa efa niteny i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help