Tononkira dia Tononkira 8 - Malagasy Catholic Bible

1Endrey naninona re no tsy anadahiko ianao,

nitsentsitra ny nonon’ineny?

fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao,

nefa tsy hahazo fanesoana amin’izany.

2Hitondra anao hiditra ao an-tranon’i neny aho,

dia hampianatra ahy ianao;

ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra,

dia ny ranon’ny ampongabendanitra.

3Ny tanany ankavia manondana ahy,

ary ny ankavanany manohona ahy.

Mpampakatra

4Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

FIAFARANYAntoko-mpihira

5Iza ity vehivavy, miakatra avy any an’efitra,

mitehina amin’ny malalany?

Mpampakatra

Teo ambanin’ny hazo pôma no namohazako anao,

teo no torontoronina anao ireninao.

Teo izy no torontoronina anao, tao izy no nampahita masoandro anao.

6Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho,

sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao;

fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,

tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro,

mirehitra toy ny afo ny firehetany,

dia lelafon’i Iaveh.

7Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana,

ny ony koa tsy mahasafotra azy.

Tenin’olon-kendry

Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza

dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.

Teny manindrona roa

8Manan-jandry vavy kely

tsy mbola misy nono izahay;

ka hataonay ahoana re ity zandry vavinay

raha avy izay andro angatahan’ny olona azy?

9Raha manda izy,

dia asianay lohamanda volafotsy;

raha varavarana izy,

dia hotampenanay hazo fisaka sedera.

Ampakarina

10Manda aho,

ary toy ny tilikambo ny nonoko;

ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony.

Antoko-mpihira

11Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamôna i Salômôna,

napetrany tamin’ny mpiandry voly ny tanimboaloboka.

Ary ny solom-bokatra aloa ho azy,

dia arivo sikla isan’olona.

Ampakarina

12Ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo:

ny arivo sikla no anao anie, ry Salômôna,

ary ny roan-jato kosa, an’ny mpiandry ny voany.

Teny fanampiny faranyMpampakatra

13Eh, ianao izay mitoetra eny amin’ny zaridaina,

manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana,

mba ampandreneso izany aho!

Ampakarina

14Mihazakazaha, ry malalako,

manahafa ny gazela

na ny zana-tserfa vavy,

eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help