2 Jôhany 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fiarahabana

1Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Andriambavy voafidin’Andriamanitra, ary mamangy an’ireo zanakao izay tiako marina tokoa; ary tsy izaho ihany no manam-pitiavana anareo fa izay rehetra mahalala ny hafatra marim-pototra koa,

2satria mitoetra ao anatintsika ny hafatra marim-pototra sady homba antsika mandrakizay.

3Homba antsika anie ny fahasoavana sy famindrampo amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray, noho isika vonton’ny hafatra marim-pototra sy ny fitiavana!

Ny fahamarinana sy ny fitiavana

4Faly tokoa aho tamin’ny nahitako ny zanakao sasany miaina ny hafatra marim-pototra, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.

5Ary izao no angatahiko aminao ankehitriny, ry Andriambavy: aoka hifankatia isika! Tsy hoe didy vaovao no soratako aminao fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany.

6Ary izao no fitiavana, dia ny hiainantsika araka ireo didin’Andriamanitra. Ny didy, araka ny efa renareo hatramin’ny voalohany, dia ny hiainanareo amin’ny fitiavana.

7Maro mantsy ny mpamitaka efa niely eran’izao tontolo izao: izy ireny dia tsy manaiky fa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy. Izany no maha mpamitaka sy maha antikristy!

8Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno.

9Izay rehetra tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy fa mihoa-pefy, dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy no manana ny Ray sy ny Zanaka.

10Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;

11fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.

Famaranana

12Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany. Fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiresaka mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.

13Ireo zanak’ilay rahavavinao, izay voafidin’Andriamanitra koa, dia manao veloma anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help