1Tamin’izay fotoana izay eo ho eo no tafaverina tamin-kenatra avy any Persia i Antiôkosa.
2Niditra tao amin’ny tanàna Persopôly manko izy, dia nanandrana ny handroba ny tempoly sy hampahory ny tanàna; kanjo niroatra ny vahoaka mponina sady nandray fiadiana, dia indro i Antiôkosa fa nataony vaky nandositra, ka voatery niala afa-baràka.
3Fony izy teo akaikin’i Elebatàna no nandre ny nanjo an’i Nikanôra sy ny tafik’i Timôty.
4Nirehi-pahatezerana i Antiôkosa ka nihevitra fa ny famelezana ny Jiosy no hamaliany faty ny fanalàm-baràka nafitsoky ny Persianina izay nanery azy handositra; ary nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ilay mpitondra mba hahafaingana ny dia. Kanjo ny famaizan’Andriamanitra no efa miandry azy, noho izy nentanim-piavonavonana ka nilaza hoe: «Rehefa tonga any Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jiosy io tanàna io!»
5Vao nahavoatonona ireo teny ireo i Antiôkôsa, dia indro ny Tompo mahita ny zava-drehetra, ilay Andriamanitr’i Israely, fa namely azy tamin’aretina tsy hita maso sady tsy laitram-panafody; fanaintainana lozan-tany sy fangirifiriana nanotikotika no tsapany tao amin’ny tsinainy tao.
6Famaizana ara-drariny izany, satria nandrotika ny kibon’ny hafa tamin’ny fampijaliana maro sy mafy mihoa-pampana io mpanjaka io!
7Kanefa tsy nampihena ny fiavonavonany akory izany; mbola feno rehaka ihany izy, ka nisefosefo nirehi-pahatezerana tamin’ny Jiosy sady nibaiko ny hanafainganana ny diany. Kanjo injay i Antiôkosa fa nidaboka tampoka avy amin’ny kalesy izay nikotrokotroka faingam-pandeha; mafy dia mafy ny fianjerany ka nifandrirotra avokoa ny rantsam-batany rehetra.
8Vao teo ilay mpanjaka no nentanim-piavonavonana mihoa-pampana ka nihevi-tena ho mpandidy ny onjan-dranomasina sy ho mpandanja amin’ny mizana ireo tendrombohitra avo; kanefa izao izy tafatsingidina amin’ny tany ka voatery nentina tamin’ny filanjana: izany no naneho miharihary teo imason’ny olon-drehetra ny fahatezeran’Andriamanitra.
9Mbola velona ihany ny tenan’ilay mpankahala fivavahana; kanefa kankana be dia be no nivoaka ny masony, ary nijaly tokoa izy satria nirarak’ompana ny nofony. Fofom-pahalòvana no mihanaka avy aminy ka nampaloiloy ny tafika manontolo.
10Ilay toa hanakatra ny kintana eny ana habakabaka teo iny, dia tsy nisy afaka nitondra azy intsony ankehitriny satria tsy tanty mihitsy izany fofona maimbo izany.
11Ketraka dia ketraka i Antiôkosa tamin’izay, satria azon’ny kapok’Andriamanitra izy ka nianjadiam-panaintainana nihamafy hatrany. Izay vao nihintsana ny fiavonavonany tafahoatra, ka tsapany ny toe-javatra.
12Hatramin’ny tenany avy no tsy nahatanty ny hamaimbony intsony, ka hoy izy: «Rariny mihitsy raha olona mety maty toa ahy no manaiky an’Andriamanitra ka tsy hirehareha hihambo hitovy aminy!»
13Ny vavak’ilay tsy nisoro-doza io dia tara fiantefa tamin’ny Tompo izay tsy afa-namindrafo taminy intsony, na dia nataon’i Antiôkosa aza izao fampanantenana izao:
14«Nidodododo ho any Jerosalema tanàna masina aho mba handrava azy tanteraka sy hanao azy ho fasan’ny mponina. Ankehitriny kosa hambarako ho tanàna afaka izy.
15Notombanako ho tsy mendrika halevina ny Jiosy ary nokendreko hatao sakafon’ny vorona mpihaza amam-bibidia ny tenany mbamin-janany. Ankehitriny kosa hampitoviko zo amin’ny Atenianina avokoa ny Jiosy rehetra.
16Namabo ny tempoly masina aho taloha; ankehitriny kosa dia horavahako amin’ny fanomezana kanto izy ary haveriko aminy sy hampiako aza ny fanaka masina rehetra voaroba; ary ny amin’ny lany rehetra momba ny fanaovan-tsorona, dia hiantohako amin’ny vola miditra ho an’ny tenako.
17Fanampin’izany, hilatsaka ho mpanaraka ny fivavahana jiosy aho sady hitety ny tany rehetra misy mponina mba hanambara ny fahefan’Andriamanitra.»
Taratasy nalefan’i Antiôkosa Epifana ho an’ny Jiosy18Tsy nitony anefa ny fijalian’i Antiôkosa; ny fitsara-marin’Andriamanitra manko no nihatra taminy. Ka rehefa hitany fa tsy hantenaina intsony ny amin’ny toe-pahasalamany, dia nanoratra taratasy ho an’ny Jiosy izy, ka fitarainana no fomba nandaharany azy araka izao rijan-teny izao:
19Avy amiko Antiôkosa ity taratasy ity, dia izaho mpanjaka sy filohan’ny foloalindahy. Mamangy anareo olom-pirenena jiosy mahafatra-po aho ary mirary anareo ho finaritra sy ho salama ary hambinina fatratra.
20Raha salama tsara ny tenanareo mbamin’ny zanakareo, raha mandroso araka ny anirianareo azy ny raharahanareo, dia anomezako voninahitra lehibe an’Ilay Andriamanitra Izay ametrahako fitokiana izany.
21Amim-pitiavana no ahatsiarovako anareo ary koa ny haja sy fankamamiana nasehonareo tamiko. Fony niverina avy tany Persia aho no voatsindrin’aretina mafy ary milamaka tsy manan-kery intsony eto am-pandriana; ka nataoko fa ilaina ny himasoako amin’izay hampilamina feizay ny besinimaro.
22Tsy hoe manary toky ny amin’ny hiarenako aho tsy akory fa vao mainka manantena mafy ny ho sitrana amin’izao aretina izao aza.
23Kanefa tsaroako fa ny raiko dia nanendry izay ho dimbiny, tamin’izy niainga hiady tamin’ny faritra Ampatrana.
24Tiany ho fantatry ny olona manerana ny taniny fa nisy nametraha-draharaha, ka tsy ho very hevitra izy raha avy izay loza tsy nampoizina na izao vaovao ratsy.
25Ankoatra izany, heveriko fa ireo mpanjaka sy ireo andriandahy mifehy tany mifanila amin’ny fanjakako dia mitily izay fotoana azony hararaotina sady miandry izay hitranga amiko. Koa notendreko ho mpanjaka i Antiôkosa zanako, ilay efa nasehoko sy nankiniko tamin’ny ankamaroanareo fony aho tsy maintsy nitety maika ny faritany am-patrana; ary io nadika eto ambany io ny taratasy nampitondraiko azy.
26«Izao àry no angatahiko sy ihantako aminareo: mba tsarovy ny soa vitako taminareo na mitambabe na tsirairay ary samia mitana hatrany ny fankamamiana ahy sy ny zanako.
27Matoky manko aho fa tsara fanahy sy mangoraka olona izy ka hiraiki-po amin’ny hevitro ary hifandray tsara aminareo.»
28Araka izany, io mpamono olona sy mpanevateva an’Andriamanitra io dia azon’ny fijaliana mahatsiravina tahaka ny nafitsony tamin’ny hafa. Fahafatesana mahamenatra no nanjo azy tao an-tendrombohitra sy an-tanin’olona.
29I Filipo namany fahazaza no nampitondra ny vatany mangatsiaka hankany Antiôkia. Saingy niahiahy an’ilay zanakalahin’i Antiôkôsa Epifana izy, ka nihataka nankany Ejipta, teo akaikin’i Ptôlemeo Filômetôra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.