Salamo 68 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Salamo fiderana mba handraisana an’Andriamanitra mpandresy

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. Tononkira.

2Hirotsaka hamely anie Andriamanitra

ka ny fahavalony dia hiparitaka,

ny mpankahala handositra lavitra Azy!

3Toy ny fielin’ny setroka no aoka ho fieliny;

tahaka ny savoka mitsonika amin’ny afo

no aoka hahalevona ny olon-dratsy

eo anatrehan’Andriamanitra!

4Ny olo-marina kosa anie hifaly sy hiravo

ary dia hibita-kafaliana eo anoloany!

5Mihirà ho fanajana an’Andriamanitra,

mankalazà ny anarany amin’ny salamo

mba hanoman-dalana ho fandraisana

an’ilay mpitaingin-drahona ho kalesy.

Ny Tompo no anarany

ka mifalia eo anoloany.

6Andriamanitra ao an-Toeramasiny

no ilay Ray miahy ny kamboty

sy manome rariny ny mpitondratena.

7Ny manirery omeny ankohonana,

ny voagadra avoakany ho afaka.

Ny mpikomy ihany no hitoetra

any amin’ny tany karankaina.

8Andriamanitra ô, fony Ianao niainga

mba hialoha ny vahoakanao

ka namakivaky izany taniefitra,

Fiatoana

9dia nihovotrovotra ny tany,

nanorana koa ny habakabaka

teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Sinay,

teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Israely.

10Ranonoram-pitahiana no narotsakao

ka velombelona terỳ ilay taninao lany hery.

11Tao ny vahoakanao no niorim-ponenana,

fa izany no namboarinao ho an’ny ory

satria tsara fo Ianao, Andriamanitra ô.

12Injao ny Tompo mandefa hafatra,

ka dia zavon-tany ny vehivavy

mitondra ny vaovao manao hoe:

13«Samy vaky nandositra avokoa

na mpanjaka na tafika fahavalo.

Ireo vehivavy tavela tao an-trano

dia mizarazara ny zavatra voababo.

14Na ianareo tsy mba niady aza

fa nijanona niandry valan’ondry,

dia ho tahaka ny voromahailala

misy elany mirava-bolafotsy

sy volony mirava-bolamena tsara.

15Fony Andriamanitra Tsitoha

nanaparitaka ireo mpanjaka teo,

dia ilay tendrombohitra hoe Salmôna

no indro nilatsahan’ny oram-panala.»

16Ny vohitr’i Basàna dia vohitra mideza;

vohi-maro tendro ny vohitr’i Basàna.

17Kanefa nahoana, ry vohi-maro tendro,

no ialonanao ilay vohitra voafidy,

voafidin’Andriamanitra mba honenany?

Eny, hitoetra ao mandrakizay ny TOMPO!

18Kalesy an’arivony aman’alina

ireo kalesin’ny Tompo Andriamanitra;

ka avy any an-tendrombohitra Sinay Izy

no mankao amin’ilay Toeramasina.

19Nitondra babo Ianao

no niakatra eny an-kavoana;

nandraisanao fanomezana ny olombelona

na dia ireo mpikomy taminao koa aza

mba honenanao eo, ry TOMPO Andriamanitra.

20Hisaorana isan’andro isan’andro anie ny Tompo,

ilay Andriamanitra mpamonjy miahy antsika!

Fiatoana

21Andriamanitra mahavonjy ilay Andriamanitsika.

Eny, ilay ANDRIANANAHARY Tompo no afa-manala,

afa-manala antsika amin’ny fahafatesana.

22Ny lohan’ny fahavalony kosa montsaniny,

dia ireo lava volo mirehaka amin’ny ratsy.

23Hoy ny Tompo hoe:

«Ireo fahavalonao any Basàna hampodîko,

ny any an-kibon-dranomasina koa hampodîko,

24ka ny tongotrao no hanosihosy ny rany

ary hilelaka amin’izany koa ny alikanao.»

25Ry ilay Andriamanitro Mpanjakako ô,

marevaka ny dianao ho any an-Toeramasina.

26Ny mpihira no indreo fa lohalalana,

ny mpitendry valiha no vodilalana;

ny eo anelanelan’izy roa tonta

dia ny tovovavy mively langoroana.

27Misaora an’Andriamanitra, ry vahoakany tafangona;

misaora Azy TOMPO, ry terak’i Israely.

28I Benjamîna, ilay foko bitika indrindra no eo aloha;

dia ny andrian’i Joda izay mareva-pitafiana,

avy eo indray dia ny andrian’i Zebolòna,

ary ny an’i Naftalỳ no manaraka an’ireo.

29Ry Andriamanitra ô, omeo baiko ny herinao

ka hamafiso hatrany izay efa vitanao ho anay,

30avy ao amin’ny tempolinao any Jerosalema

izay itondran’ireo mpanjaka fanatitra ho Anao.

31Rahòny i Ejipta, ilay biby anaty bararata;

rahòny ilay andian’ombilahy, dia ireo mpifehy vahoaka:

aoka ireo hikoy hitondra volafotsy ho Anao;

ataovy mihahaka kosa ireo vahoaka liana ady.

32Ho avy aminao ny andriandahin’i Ejipta;

hananty tanana aminao ny Etiôpianina.

33Ianareo fanjakana eto an-tany,

mihirà ho fanajana an’Andriamanitra;

miredòna salamo ho an’ny Tompo,

Fiatoana

34Ilay toa mitaingina kalesy

eo an-tampon’ny lanitra fahagola.

Injao Izy mamoaka ny feony,

dia feo midoboka mahery.

35Koa ekeo fa an’Andriamanitra ny hery:

mifehy an’i Israely ny fiandrianany

ary miery ao anaty rahona ny heriny.

36Mampitolagaga tokoa Andriamanitra

miseho avy ao amin’ilay Toeramasiny.

Izy no Andriamanitr’i Israely,

manome hery sy tanjaka ny vahoakany.

Hisaorana anie Andriamanitra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help