Jeremià 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Israely, vahoaka mpivadika

1Nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko:

«Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely.

Endrey izany fifikiranao tamiko

fony ianao mbola tanora!

Endrey izany fitiavanao Ahy

fony ianao mbola fofombadiko!

Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao,

tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.

3Voatokana ho AHY irery ianao tamin’izay, ry Israely,

toy ireo voaloham-bokatry ny tany.

Izay rehetra nikasika anao

dia nahita raharaha tamiko,

ka niharan-doza avy hatrany.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

4Ry taranak’i Jakôba

sy ry fokon’i Israely rehetra,

henoy ny tenin’ny TOMPO

5fa izao no lazainy aminareo:

Inona moa no hadisoana

hitan’ny razanareo tamiko

no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy?

Nandeha nanaraka zava-poana izy

ka dia tonga zava-poana koa!

6Tsy nanontany tena akory izy hoe:

Mba aiza àry izao ny TOMPO

izay nitondra antsika niala tany Ejipta

sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra,

faritany karankaina sy be hantsana,

tany mangentana sy mampahatahotra

fa tsy andalovan’olona sady tsy misy mponina?

7Izaho no nampiditra anareo

ho ao amin’ny tany lonaka

mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy;

kanjo rehefa tafiditra tao ianareo

dia nolotoinareo ny taniko

ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.

8Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe:

«Mba aiza àry izao ny TOMPO?»

Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy,

ireo mpitarika nikomy tamiko,

ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Bahala,

ary izy rehetra samy nifikitra

tamin’ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.

9Noho izany dia hifandahatra

hiady aminareo Aho,

ary hatrany amin’ny zafinareo no hiadiako;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

10Fa mba mandehana ange miampita

any amin’ny nosy Kitima ka zahao,

mba maniraha olona hanadihady

any amin’ny Arabo ao Kedara,

raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!

11Moa ve nisy firenena

efa nanova ny andriamaniny,

nefa tsy andriamanitra akory ireny!

Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny

tamin’ireo andriamanitra tsy mahasoa akory.

12Koa aoka ho gaga ianareo any an-danitra

ka samia raiki-tahotra sy mangorohoro;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

13Faharatsiana roa sosona

no nataon’ny vahoakako:

fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy

no nihady lava-drano ho azy,

kanjo lava-drano mitriatra ireny

ka tsy nahatan-drano.

Mangidy tokoa ny fandaozana ny Tompo

14Mpanompo ve i Israely ankehitriny?

Moa nateraka ho andevo ve izy?

Tsia, koa nahoana izy

no ho rembin’ny firenen-kafa?

15Tahaka ny fieron’ny biby masiaka

no fandrahonan’ireo azy;

ka nahatonga ny taniny ho lao

sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.

16Na dia ny mponina tao Memfisa

sy tao Tahapanehesa aza

mba nanety ny lohanao hangadihady, ry Israely.

17Ny nahatonga izany taminao ve

tsy noho ny nandaozanao

ny TOMPO Andriamanitrao

tamin’ny andro nitantanany anao

teny an-dalana?

18Ankehitriny, inona no soa ho anao

amin’ny fankanesana any Ejipta?

Hisotro ny ranon’i Neily ve?

Ary inona no soa ho anao

amin’ny fankanesana any Asiria?

Hisotro ny ranon’i Eofrata ve?

19Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao

ary hofaizina noho ny fivadihanao!

Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy

ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao

sy ny tsy anajanao Ahy intsony,

hoy ny teny hentitry ny Tompo,

ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.

I Israely, vehivavy tsy mahatombin-tsiraka sy tsy mahatoky

20Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao

ary namahanao ny fatoranao tamiko

ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho».

Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra

sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny

no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.

21Izaho anefa no namboly anao

tahaka ny voaloboka tsara,

dia rantsana tsara tokoa.

Koa nahoana àry ianao

no niova ho sampany ratsy

sy tonga voaloboka hafa?

22Na dia misasa ny tenanao

toy ny fanasa lamba aza ianao

ka hampiasa savony betsaka,

dia tsy ho afaka ny fahadisoanao

fa ho toy ny tseroka eo anatrehako,

hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY.

23Ahoana no ahasahianao nilaza hoe:

«Tsy nandoto tena aho,

tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?»

Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e!

Aoka hiaiky izay nataonao ianao,

fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.

24Toy ny borikivavidia zatra any an-taniefitra ianao:

Miandry lahy izy ka manimbolo rivotra,

sady maimay erỳ ka tsy misy mahasakana azy.

Tsy sahirana akory ireo lahy rehetra mitady azy,

fa mahita azy amin’ny volana mahamaimay azy!

25«Atsaharo ny hazakazakao, ry Israely,

fandrao haradratra ny tongotrao tsy mikapa

ary koa ho maina ny tendanao.»

Nefa hoy ny navalinao hoe:

«Tsy mampiraika ahy izany,

fa tiako ny andriamani-kafa

ka tsy maintsy miaraka aminy aho.»

26Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely

na ianareo sarambabem-bahoaka,

na ianareo mpanjaka sy mpitondra,

na ianareo mpisorona sy mpaminany,

dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.

27Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe:

«Ianao no raiko»;

ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe:

«Ianao no niteraka ahy».

Tokony hijery manatrika Ahy ianareo,

kanefa ny lamosina no atodikareo amiko.

Saingy nony tra-pahoriana ianareo,

dia hiantso vonjy amiko hoe:

«Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay»;

28fa hamaly anareo kosa Aho hoe:

«Nankaiza ireo andriamanitrareo

izay nataonareo ho anareo?»

Aoka izy hamonjy anareo

raha afaka manao izany

amin’ny androm-pahorianareo!

Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo

no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.

*

29Nahoana no mifandahatra amiko ianareo,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

kanefa ianareo rehetra no nivadika tamiko?

30Nikapoka anareo toy ny zanako Aho,

fa tsy nahoanareo akory izany;

tsy zaka nanarina ianareo.

Tahaka ny liona namiravira

no namonoanareo ny mpaminany

ho fatin’ny sabatrareo.

31Aoka hodinihinareo ny tenin’ny TOMPO

ry taranaka ankehitriny!

Moa ve efa nanjary mahatahotra toy ny taniefitra

na toy ny tany ao anaty haizina Aho, ry Israely?

Ry vahoakako, nahoana no ilazanareo hoe:

«Efa afaka izahay ka tsy hiverina aminao intsony?»

32Moa manadino ny firàvany ve ny virijiny?

sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina?

Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy

hatramin’ny andro maro tsy voaisa.

*

33Endrey izany tetikao hitady fitia,

hany ka nihazatra nanao heloka ianao!

34Hatramin’ny fitafianao avy no nahitana

ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny.

Tsy nahatratra azy nanapitsoka

ny varavaranao akory ianao!

Nefa na eo aza izany rehetra izany,

35dia mihambo ho tsy manan-tsiny ianao,

ary tsy ara-drariny ny itezerako anao.

Koa noho ianao milaza ho tsy manao ratsy,

dia hanenjika anao amin’ny fitsarana Aho.

*

36Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao?

Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao

tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.

37Dia hialanao amin-kenatra koa i Ejipta

ka hanaron-tava amin’ny tanana ianao;

satria Izaho TOMPO tsy manaiky

ny hitadiavanao io karazam-panampiana io,

fa tsy hanambina anao izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help