Fahendrena 18 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny andry afo

1Nandritra izany fotoana izany dia nisy hazavana lehibe namirapiratra tamin’ny olonao masina. Ren’ireo Ejiptianina fahavalony ny feony saingy tsy hitany kosa ny tavany; ary satria tsy mba nijaly tahaka azy izy, dia nambarany hoe sambatra.

2Nisaorany koa izy satria na dia nasiana ratsy aza, dia tsy mba nitady hamaly faty; ary nangatahiny famelana izy noho ny nankahalany azy.

3Ho solon’ny haizina dia andry afo kosa no nomenao hitarika ny olonao amin’ny lalana tsy fantatra. Io no masoandro tsy mahamay nanaraka azy tamin’izany diany malaza izany.

4Ho an’ireo fahavalony kosa dia mendrika azy ny tsy hanan-kazavana sy ho voagejan’ny haizim-pito, satria ireo no nitana sy nangeja ny zanakao izay tokony handraisan’izao tontolo izao ny hazavana tsy mety maty avy amin’ny Lalànanao.

Alina mahatsiravina sy alim-panafahana

5Nanapa-kevitra handringana ny zanaky ny olonao masina ireo fahavalon’ny vahoakanao, ka zaza iray ihany no voavonjy na dia efa nariana ho rembin’ny fahafatesana aza. Ho famaizana azy dia zanany marobe no nalainao ka nasainao natelin’ny onjan-dranomasina misamboaravoara avokoa.

6Efa nahalala mialoha kosa izay hitranga amin’izany alina izany ireo razanay mba hananany herim-po bebe kokoa ny fahafantarana izay fianianana ninoany.

7Io alina io dia niandrasan’ny vahoakanao ny fanafahana ny olo-marina sy ny fandringanana ny fahavalony.

8Koa ny famaizana izay namelezanao ny fahavalonay ihany no tonga voninahitray tamin’ny niantsoanao anay aminao.

9Ny mpivavaka taranaky ny olonao masina dia nanao sorona mangingina ka niara-nifanaiky tamin’ny lalànan’Andriamanitra, lalàna izay mitaky fa hiombonan’ny olona masina ny soa sy ny loza; ka nohirainy sahady ny hira fideran’ireo razana.

10Ho setrin’ny feony kosa dia nanakoako ny tabataba misaritaka nataon’ireo fahavalo; ary re hatraiza hatraiza ny fidradradradran’ireo mitomany ny zanany.

11Mitovy ihany ny famaizana namelezana ny andevo sy ny tompo, ary sahala ny fijaliana nahazo ny mpanjaka sy ny vahoaka.

12Karazam-pahafatesana iray ihany no nahavoa azy rehetra; koa tsy hita isa ny faty ary tsy araky ny velona intsony ny fandevenana azy, fa fongotra vetivety monja ny taranany lalainy indrindra.

13Ireo Ejiptianina tsy nino noho ny fanaovana majika dia niaiky ny maha zanak’Andriamanitra ny vahoaka Israely, rehefa naringana ny lahimatoany.

14Raha nisasaka ny alina, dia fanginana amam-piadanana no nanjaka hatraiza hatraiza.

15Niala tampoka avy teo amin’ny sezafiandrianany tany an-danitra ilay Teninao mahery, ka toy ny mpiady tsy mifaditrovana no niantefany teo anivon’ny tany voaozona;

16ary ny didinao tsy azo ovana no toa sabatra maranitra narangarangany. Ary nipaka tamin’ny lanitra ny lohany fa ny tongony kosa nitehina tamin’ny tany; koa nitsangana namafy fahafatesana hatraiza hatraiza izy.

17Tamin’izay dia nanonofy ratsy mampitebiteby tokoa ny olona ka azon-korohoro tsy nampoizina.

18Dia nitolefika etsy sy eroa toy ny efa ho faty izy ka nilaza ny anton’ny hahafatesany;

19satria nanambara izany taminy ny nofy nampivadi-po azy, mba tsy hahafatesany tsy mahalala izay anton’ny nijaliany mafy toy izany.

Namonjy ny Israelita tsy ho faty ny vavaka nataon’i Aharôna

20Tongan’ny fahafatesana ihany koa ny olo-marina, fa maro taminy no ringana tany an-taniefitra; kanefa tsy naharitra ela akory ny fahatezeranao, Tompo ô.

21Fa nisy lehilahy tsy manan-tsiny nijoro faingana niaro azy ireo ka nandray ny fiadiana maha mpisorona azy, dia ny vavaka sy ny fanolorana vovo-javamanitra fanoneran-keloka. Sahy niatrika ny fahatezeranao izy ka nampitsahatra ny loza ary dia niseho ho mpanomponao.

22Nandresy ny fahatezeranao izy, saingy tsy tamin’ny fahatanjaham-batana na tamin’ny herin’ny fiadiana; fa ny teny no nentiny nandresy ilay mpampihatra ny famaizanao, ka nahatsiarovany ny fianianana sy ny fanekempihavanana nataonao tamin’ireo razanay.

23Efa nifanongoa ny faty fony i Aharôna nanelanelana nisakana izany fandringanana izany ka nanampi-dalana azy tsy hankany amin’ny sisa velona.

24Fa teo amin’ny akanjolavany nisy ny efôda no naseho an-tsary izao tontolo izao; voasokitra tamin’ny vatosoa efatra andalana ny anarana be voninahitr’ireo razamben’ny Israelita; ary ny famantarana ny fiandriananao no teo amin’ny satroboninahiny.

25Nihemotra ny mpandringana raha nahita izany ka raiki-tahotra mihitsy. Fa na dia ny fahatsapana kely ny fahatezeranao ihany aza manko dia ampy tsara.

Ny fitàna ny Ranomasina Mena
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help