Bena-Siràka 42 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ataovy henatra ny manao tati-bolana

sy ny manambara tsiambaratelo.

Dia ho henatra marim-pototra ny anao amin’izay

ka hahazoanao sitraka amin’ny olona rehetra.

Ny tsy tokony hahamenatra

Ireto zavatra ireto kosa dia aza ananan-kenatra

ary aza ijeren-tavan’olona ka hanotanao:

2Aza menatra ny manoa ny lalànan’ilay Avo Indrindra

sy manoa ny fanekempihavanana nataony,

na ny mamoaka didim-pitsarana manafaka ny tsy mpivavaka

rehefa hita fa manana ny rariny izy.

3Aza menatra ny manao kaontim-bola

amin’ny sakaizanao sy ny mpiray dia aminao,

na ny mizara ny lova iombonana miaraka amin’ny hafa.

4Aza menatra ny mampiasa mizana sy vato marina

na ny mandray soa be na kely

5na ny mahazo tombony amin’ny varotra atao.

Aza menatra koa ny manafay mafy ny zanakao

na ny mikapoka ho loa-dra

ny tehezan’ny mpanompo malaina.

6Raha tsy azo antoka ny vadinao,

dia mety raha asiana tombokase ny entana;

ary raha misy tana-maro fandrairay,

dia ataovy tsara hidy ny zavatra.

7Raha misy vola ankininao amin’olona, dia isao sy lanjao;

ary ataovy an-tsoratra izay omenao sy izay raisinao.

8Aza menatra ny manafay ny olona adala sy ketrina

na ny antidahy voky taona mbola revo amin’ny filibana.

Dia hasehonao fa tsara taiza tokoa ianao

sady hankatoavin’ny olona rehetra.

Ny ahiahin-dray ny amin’ny zanany vavy

9Ny manan-janakavavy, ho an’ny rainy,

dia mampanahy azy na tsy miloa-bava aza izy;

ary tsy ahitany torimaso ny fanahiana azy.

Raha mbola tanora izy, dia atahorany

fandrao hihoatra ny taona fanambadiana;

rehefa nisy nampakatra indray izy, dia atahorany

fandrao hanjary hàlan-dralehilahy.

10Raha mbola virijiny izy, dia ahîny

fandrao ho voakolikoli-na tovolahy

ka hanana anaka mbola ao an-tranon-dray;

rehefa manam-bady indray izy, dia ahîny

fandrao hivadika amin’ny lalàm-panambadiana;

ary raha tamàna an-tranom-bady izy, dia ahîny

fandrao hitoetra tsy hanan-janaka.

11Raha maditra ny zanakavavinao, dia ambeno mafy izy

fandrao hahatonga anao hihomehezan’ny fahavalonao

sy ho ambentin-dresaky ny ao an-tanàna

ary hampisy fitangorongoronan’olona;

ka eo amin’ny fivorian’ny besinimaro,

dia hataon-janakao safo-kenatra ianao.

12Tsy tokony hisehoseho amin-dehilahy ny zanakavavinao

na hiditriditra ao amin’ny efitranom-behivavy,

13satria ny vehivavy no mamoaka

ny haratsiam-panahim-behivavy

toy ny ivoahan’ny fositra

avy amin’ny fitafiana.

14Aleo ny haratsiam-panahin-dehilahy

toy izay ny hatsaram-panahim-behivavy!

Ny zanakavavy tsy mahalala menatra

dia manala baràka ny rainy.

AMBOARAM-PAMPIANARANA FAHADIMYLEHIBE SY HENDRY ANDRIAMANITRAHalehibiazan’ilay Mpahary(Jereo 16.18; Sal 148.1-13; Fah 9.1)

15Hotsahiviko izao ny asan’ny Tompo

ary hovisavisaiko izay hitako.

Ny tenin’ny Tompo no nampisy ireo asany;

ary izay naraikitry ny fandaharany

dia tanteraka araka ny hevi-pitiavany.

16Toy ny masoandro mamirapiratra

izay mibanjina ny zava-drehetra,

no ahitana ny voninahitry ny Tompo

manenika ny asa rehetra nataony.

17Na ireo anjelin’Andriamanitra aza

dia tsy afaka hamisavisa mihitsy

ny zava-mahagaga rehetra nataony:

naorin’ny Tompo Mpifehy ny tontolo ireny

mba hampijoro mafy izao rehetra izao

ao anatin’ny voninahiny.

18Mahalala ny halalin’ny ranomasina ny Tompo

ary mahalala ny halalin’ny fon’olombelona

ka mahafantatra ny zava-miafina ao anatiny,

satria ilay Avo Indrindra no manana

ny fahalalana isan-karazany

ka mijery tsara ny famantarana

izay manamarika ny fizaram-potoana.

19Manambara ny zavatra lasa sy ho avy Izy

ary mampiharihary ny zava-miafina lalina.

20Ny hevitry ny olona tsy mba misy midify Azy;

ary ny teny ataony tsy mba misy takona Azy.

21Narindran’ny Tompo ireo asa lehibe

izay novolavolain’ny fahendrena,

satria efa nisy talohan’ny taona rehetra Izy

ary haharitra mandrakizay mandrakizay;

tsy nampiana na inona na inona ny tenany

sady tsy nanesorana na inona na inona,

ary tsy mba nila mpanolotsaina na iza na iza.

22Endrey! Mahavariana ny asany rehetra

hatramin’ny pitikafo kely indrindra

izay azon’ny olona banjinina.

23Velona ireo zavatra rehetra ireo

ary maharitra mandrakizay avokoa

sady manaiky amin’izay rehetra ilana azy.

24Mifandraika tsiroaroa avy ny zava-drehetra

ary tsy nisy nataon’Andriamanitra tsy tomombana.

25Ny zavatra anankiray dia manamafy rahateo

ny hatsàran’ny zavatra anankiray hafa;

hany ka tsy misy olona ho tofoka

mijery ny voninahitr’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help