Nahoma 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ry vahoakan’i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra

ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana.

Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo!

Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana,

satria efa fongotra tanteraka izy.

2Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava;

koa ambeno ny manda, andraso ny lalana.

Mivonòna hiady ary angony ny tafikao rehetra.

3Fa efa ampodin’ny TOMPO indray

ny voninahitry ny taranak’i Jakôba

efa ampodiny indray ny voninahitr’i Israely,

ilay voaloboka rava sady simban’ny mpandroba.

I Ninive voatafika sy voaroba

4Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra

no entin’ny tafika fahavalonao, ry Ninive.

Manjelatra toy ny afo ny kalesiny

ary mirangaranga ny lefony,

rehefa mivonon-kiady izy.

5Miriotra mamakivaky ny arabe ny kalesiny,

ary mifanaretsaka eny an-kianja malalaka;

toy ny harendrina no fijery azy

fa mitsoriaka tahaka ny tselatra.

6Miantso ireo jeneraliny ny mpanjakan’i Asiria,

kanjo tafintohina am-pandehanana ireny.

Milomay manatona ny manda ny mpanani-bohitra

ka maka toerana eo ambanin’ny fialofana.

7Vaky tampoka ny vavahady manolotra ny ony,

ary mirodana ny lapa.

8Azo ka nentin-ko babo ny sarin’ny andriamani-baviny,

ary ny mpanompovaviny mitoloko toy ny voromahailala

sady mandòn-tratra noho ny alahelo.

9Fa hatrizay i Ninive dia tahaka ny siniben-drano,

kanjo vaky izy ankehitriny.

«Mijanòna! Mijanòna!» hoy ny hiaka

nefa tsy nisy niherika na dia iray aza.

10Aoka hobaboina ny volafotsy sy ny volamena

fa tsy mety ritra ny hareny,

dia ireo zava-tsarobidy miavosa!

11Tsy misy afa-tsy fandrobana

sy fandravana ary fanimbana no hita!

Kivy ny fon’ny rehetra;

mangozohozo ny lohalika,

mangovitra ny vatana

ary mivaloarika ny tarehy.

Toy ny liona resy i Ninive

12Fa aiza ankehitriny ilay tanàna

izay toy ny zohy fieren’ny liona

sy fihinanan’ny zanany?

Rehefa lasa miremby ny liona,

dia tsy nisy sahy nanakotaba ny zanany.

13Novonoin’ny liona sy noviravirainy ny hazany

ho an’ny liom-bavy sy ny zanany.

Ny lavaka fonenany nofenoiny remby,

dia ny haza rehetra voaviravirany.

14Koa izao no teny hentitra

ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Indro hamely anao Aho, ry Ninive,

hodorako ho levona ny kalesinao

ary hatolotro ho fatin-tsabatra ny tanoranao.

Hofaranako hatreo ny fandrobanao teto an-tany,

ka tsy ho re intsony ny fitakiana ataon’ny irakao.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help