1«Avy ao Sela any an-taniefitra no alefaso
ny ondrilahin’ilay mpifehy ny tany
ho any amin’ny tendrombohitra Tsiôna.»
2Ireo vehivavin’i Môaba dia very hevitra
eo am-pitana ao Arnôna
toy ny vorona mivezivezy
voaroaka tao amin’ny akaniny.
3Nangataka tamin’i Jerosalema ny Môabita hoe:
«Manaova fivoriana ary manapaha hevitra.
Izao antoandro be izao ny fiarovanao
dia ataovy mihanaka aminay
toy ny ampielezan’ny alina ny haizina;
ka afeno ireo olona voaroaka
ary aza aseho ireo mandositra avy atỳ aminay.
4Avelao hitoetra ao aminao izay voaroaka
ary aoka ho fierena ho azy ianao
eo anoloan’ny mpandringana azy!
Fa rehefa hitsahatra ny famoretana sy ny fandringanana
ary tsy hisy amin’ny tany intsony ny mpampahory,
5dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy
ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida;
hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana
ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»
Tsy misy azon’i Jerosalema atao ho an’i Môaba6Efa renay ny avonavon’i Môaba
izay mpiavonavona mihoa-pampana;
efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany
ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.
7Nefa ankehitriny dia midradradradra
ny amin’i Môaba ny Môabita.
Eny, samy mitaraina izy rehetra
ny amin’ny ampempam-boalobok’i Kira-Heresa,
ka mitoloko fa tena voa mafy.
8Simba ny zaridaina ao Hesbôna
sy ny voly voaloboka ao Sibmà,
kanefa ny divainy no nahamamo
ny andrian’ireo firenena.
Nitatra hatrany Jahizera
izany voly voaloboka izany,
ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra;
ary ny sampany nandadilady
hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.
9Koa izany no itomaniako
ny voly voaloboka any Sibmà
miaraka amin’ny mponin’i Jahizera.
Hataoko kotsan’ny ranomasoko
ianareo, ry Hesbôna sy Elehale,
fa niharan’ny akoran’ady
ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:
10Nitsahatra ny koranam-pifaliana
avy eny amin’ny saha famokaram-boankazo;
ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana
eny amin’ny tanimboaloboka;
sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony
ao amin’ny toeram-pamiazam-boaloboka
no tsy ahitan-divay ao anaty barika,
fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.
11Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko
noho ny amin’i Môaba;
eny, mitaraina ny ato anatiko
noho ny amin’i Kira-Heresa.
12Hita ho sasa-poana tokoa i Môaba
miakatra eny amin’ny toeram-panasinany
sy miditra ao amin’ny tempoliny
mba hitalaho amin’ny sampiny,
nefa tsy nisy vokany izany.
13Izany àry no teny nataon’ny TOMPO fahiny momba an’i Môaba.
14Fa ankehitriny dia hoy ny TOMPO hoe: «Raha afaka telo taona androany, na ny olo-mangan’i Môaba na ny sarambabem-bahoakany dia samy ho tsinontsinona. Izay sisa tavela aminy dia vitsy kely tsy misy lanjany akory.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.