Salamo 103 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ilay fisaorana lehibe

1 Nataon’i Davida.

Aoka hisaotra ny TOMPO aho,

hisaotra eram-po ny anarany masina!

2Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho,

ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony!

3Fa Izy no mamela ny heloko rehetra

ary manasitrana ny aretiko rehetra.

4Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko;

rakofany fitiavana sy indrafo aho.

5Fenoiny fahasambarana ny fiainako,

ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho.

6Omen’ny TOMPO rariny sy hitsiny

izay rehetra ampahorîna.

7Efa nampahafantatra ny fikasany tamin’i Mosesy Izy

ary ny asany mahery tamin’ny vahoaka israelita.

8Mpamindrafo sy mpiantra ny TOMPO,

tsy mora tezitra ary be fitiavana.

9Tsy mba mandevilevy lalandava Izy,

tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10Tsy araka ny otantsika no anafaizany antsika,

tsy araka ny helotsika no amaliany antsika.

11Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany

no haben’ny fitiavany amin’izay manaja Azy;

12tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana

no hampanalavirany amintsika ny hadisoantsika.

13Tahaka ny fangoraky ny ray an’ireo zanany

no angorahan’ny TOMPO an’izay manaja Azy.

14Satria fantany ny namolavolana antsika,

ka tsaroany tokoa fa vovoka isika.

15Toy ny ahitra ny androm-piainan’ny olombelona,

toy ny voninkazo eny an-tsaha ny famoniny:

16rehefa tsofin’ny rivotra izy, dia foana

ka tsy mahalala azy intsony ny toerany.

17Fa ny fitiavan’ny TOMPO kosa

dia hatrizay ka ho mandrakizay

amin’ireo olona manaja Azy;

ary ny fahamarinany hihatra

amin’ny taranaka mandimby,

18izay mitandro ny fanekempihavanany

ka mahatsiaro hanatanteraka ny baikony.

19Naorin’ny TOMPO any an-danitra ny sezafiandrianany,

mifehy an’izao rehetra izao ny fanjakany.

20Misaora ny TOMPO, ianareo anjeliny

izay hery voafantina mpanatanteraka ny teniny

ka mankatò Azy raha vao mandre ny baikony.

21Misaora ny TOMPO, ianareo andian-tafiny rehetra

izay mpanompony mpanatanteraka ny sitrany.

22Misaora ny TOMPO, ianareo voaariny rehetra

amin’ny toeran-drehetra izay anapahany.

Izaho koa, aoka hisaotra ny TOMPO!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help