Baròka 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny Jiosy any Babilôna miteny amin’ireo Jiosy any Jerosalema

1Toy izao ireo teny ao amin’ny boky nosoratan’i Baròka zanakalahin’i Nerià, zafikelin’i Mahaseià, zafiafin’i Tsedekià, zafindohalik’i Hasadià, zafin-kitrokelin’i Helkià tany Babilôna.

2Ny namoahana io boky io dia tamin’ny tsingerin-taona fahadimy nahazoan’ny Babilônianina an’i Jerosalema ka nandravany azy tamin’ny afo, izany hoe tamin’ny andro fahafiton’ny volana fahadimy.

3Ny teny tao anatin’ity boky ity dia novakin’i Baròka teo anatrehan’i Jekônià, zanakalahin’i Jôakima sady mpanjakan’i Joda, ary koa teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tonga hihaino izany.

4Teo daholo izay Jiosy rehetra nonina tany Babilôna teo amoron’ny ony Soda, dia ny manampahefana sy ny zanaky ny mpanjaka sy ny loholona ary ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

5Nitomany teo anatrehan’ny Tompo ny olona, ary nifady hanina sady nivavaka.

6Avy teo dia nanangom-bola izy, ka samy nanome araka izay azony natao;

7dia nalefany tany Jerosalema ny vola ho an’i Jôakima mpisorona, zanakalahin’i Hilkià sady zafin’i Salôma, ary ho an’ireo mpisorona hafa mbamin’ireo vahoaka rehetra izay miaraka aminy any Jerosalema.

8Tamin’ny andro fahafolon’ny volana Sivàna dia efa azon’i Baròka indray ireo fanaka nalaina tao amin’ny tempolin’ny Tompo, ary nokasainy haverina any amin’ny tanin’i Joda.

9Izany dia ny fanaka volafotsy izay nampanamboarin’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, taorian’ny namaboan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià sy ireo mpitondra sy ireo mpahay taozavatra sy ireo manampahefana mbamin’ny vahoakan’i Joda avy tao Jerosalema ka nitondrany azy any Babilôna.

10Nandefa hafatra ho an’ireo olona tany Jerosalema ireo babo ka nanao hoe: «Nandefa vola ho anareo izahay, koa mividiana vovo-javamanitra sy biby hatao sorona dorana manontolo sy sorona fanalana ny ota; dia manolora fanatitra ianareo ary atero eo ambony alitaran’ny Tompo Andriamanitsika ireo sorona ireo.

11Mivavaha koa ho an’i Nebokadnetsara mpanjaka sy i Baltatsara zanany lahy. Mangataha amin’Andriamanitra mba hamelany azy ho ela velona tahaka ny lanitra eny ambonin’ny tany.

12Ataovy izany mba hanomezan’Andriamanitra hery anay sy hamerenany ny fifalianay, mba hiainanay eo ambany fiarovan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy i Baltatsara zanany lahy, ka hanompoanay azy mandritra ny andro maro mba hahitanay sitraka eo anatrehan’izy mianaka.

13Farany, mivavaha amin’ny Tompo Andriamanitsika ho antsika, satria Izy no nanotantsika ary tsy mbola nanaisotra ny fahatezerana amam-pahavinirany tamintsika mandraka androany.

14Ao an-tranon’ny Tompo, rehefa tonga ny fetin’ny Tranotomboka na amin’ny fotoana hafa ilana azy, dia vakio ampahibemaso ity boky izay alefanay aminareo ity ho fieken-keloka.

NY VAVAK’IREO ANY AN-TSESITANYFieken-keloka(Dan 9.4-19; Hez 9.6-7; Neh 9)

15Izao no tokony holazainareo: «An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana, fa antsika kosa ny henatra tahaka izao anio izao; eny, antsika olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema ny henatra,

16ary koa an’ireo mpanjakantsika sy mpitondrantsika, an’ireo mpisorontsika sy mpaminanintsika ary an’ireo razantsika!

17Nanota tamin’ny Tompo isika,

18ary nivadika taminy, fa tsy nihaino ny Tompo Andriamanitsika raha nasainy nanaraka ny didy izay napetrany teo anoloantsika.

19Hatry ny namoahan’ny Tompo ireo razantsika hiala tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra nivadika tamin’ny Tompo Andriamanitsika isika, fa nivily tsy nety nihaino ny feony.

20Koa araka izao hita anio izao, dia niraikitra tamintsika ireo loza mbamin’ny ozona izay nampilazainy an’i Mosesy mpanompony tamin’ny andro izay namoahany ny razantsika hiala tany Ejipta mba hanomezany antsika ny tany tondra-dronono sy tantely.

21Ny Tompo Andriamanitsika no naniraka tamintsika ireo mpaminany, nefa tsy nohenointsika ny teny rehetra nampilazainy azy.

22Fa samy nanaraka ny fironan-dratsin’ny fontsika avy isika, ka nanompo andriamani-kafa ary nanao izay ratsy teo imason’ny Tompo Andriamanitsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help