Fahendrena 6 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Mihainoa ka mamantara ianareo mpanjaka!

Mianara ianareo mpifehy amin’ny tany tontolo.

2Sokafy ny sofinareo, ry mpitondra vahoaka

sy mpirehareha amin’ny fifehezana firenena maro:

3Aoka ho fantatrareo fa ny Tompo

no nanome anareo ny fitondrana

ary Andriamanitra Avo Indrindra

no nanome anareo ny fahefana;

dia handinika ny asanareo Izy

ka hamantatra ny fikasanareo.

4Koa raha ianareo mpandraharahan’ny fanjakany

tsy mba nitsara araka ny hitsiny

na nitandrina ny lalàna

na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra,

5dia hitranga tampoka aminareo

amin’ny fomba mahatahotra Izy,

satria fitsarana tsy azo ivalozana

no miandry ireo olona ambony.

6Ny madinika dia amindrana fo

sy avela heloka

fa ho henjana kosa

ny hijerena ny manam-pahefana.

7Tsy hilefitra na amin’iza na amin’iza

ny Tompon’ny olon-drehetra

ary tsy hampihontsina Azy

izay fahalehibeazana,

fa samy noarîny na ny kely na ny lehibe

ka mitovy ny fiahiny azy.

8Saingy famotorana henjana kosa

no hataony amin’ny manampahefana.

9Koa ianareo mpanjaka

no iantefan’ny teniko

mba hianaranareo ny fahendrena

ka tsy hahasolafaka anareo.

10Izay mitandrina ny lalàna masina

amim-pahamasinana manko

no hoekena ho masina;

ary izay mety hianatra azy

no haharo tena amin’ny andro fitsarana.

11Koa ankamamio sy irio fatratra ny teniko

dia hahazo fanabeazana ianareo.

Mora hitan’ny olona ny Fahendrena

12Mamiratra tsy mety matroka ny Fahendrena,

ka mora tazan’ny olona tia azy

ary mora hitan’izay mitady azy.

13Mitsena izay maniry azy izy

ka miseho aminy voalohany.

14Izay mifoha maraina hitady azy, tsy ho sahirana

fa hahita azy mipetraka eo am-baravarana.

15Ny fifantohana aminy manko

no fahatanteraham-pahendrena;

ary izay miari-tory noho ny aminy

dia halaky afaka ahiahy.

16Mivezika etsy sy eroa izy

mikatsaka izay mendrika azy;

miseho aminy amim-pitiavana

eny an-dalam-piainany izy

ary manampy azy amin’ny eritreriny rehetra.

17Ny fiandohan’ny Fahendrena

dia ny faniriana marina ny hampianariny.

18Izay maniry hampianariny no tia azy;

ny mitia azy no mitandrina ny lalànany;

ny mitandro ny lalànany

no ahazoana antoka ny tsy fahalovana;

19ary ny tsy fahalovana

no mampanakaiky an’Andriamanitra.

20Noho izany ny faniriana ny Fahendrena

no manandratra ny olona ho tena mpanjaka.

21Koa raha maminareo ny sezafiandriananareo

sy ny fahefam-panjakanareo,

ry mpanjakan’ny firenena,

dia hajao ny Fahendrena

fa hanjaka mandrakizay ianareo.

Filazana ny toetoetry ny Fahendrena

22Fa inona no atao hoe fahendrena

ary inona no niandohany?

Hambarako aminareo izany

ary hoborahiko aminareo ny zava-miafina

Hatomboko hatrany am-piandohany

ka haharihariko mazava tsara

izay tokony ho fantatra ny aminy;

ary tsy hivily hiala amin’ny marina aho.

23Lavitra ahy ny hiara-dalana

amin’ny faniriana hitazon-javatra ho ahy irery

fa sady toetra mandevona izany

no tsy misy iraisany amin’ny Fahendrena.

24Ny hamaroan’ny hendry kosa

dia famonjena ho an’izao tontolo izao;

ary ny mpanjaka manan-tsaina

dia fanambinana ho an’ny vahoakany.

25Koa meteza hampianarin’ny teniko ianareo,

dia hahita tombon-tsoa amin’izany.

Olombelona ihany i Salômôna
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help