Jôba 38 - Malagasy Bible Interconfessionelle

MIDITRA AN-TSEHATRA NY TOMPO(38.1–42.6)

1Avy ao anaty tafio-drivotra ny TOMPO no namaly an’i Jôba ka nanao hoe:

2Zovy moa ianao no sahy maneso ny fikasàko

amin’ireo teny foana tsisy dikany?

3Misikîna àry ho tena lehilahy,

fa hanontany anao Aho ka hovalianao.

Andriamanitra, tompon’ny tontolo tsisy aina

4Taiza moa ianao fony Aho nanorina ny tany?

ambarao Ahy raha manam-pahalalana tokoa ianao.

5Iza no nametra ny refiny raha hainao?

Ary iza no nanenjana izay andrefesana azy?

6Amin’inona no ipetrahan’ny andry mitondra azy?

Ary zovy no nametraka ny vato fehizorony,

7raha niara-nihira ny kintan’ny maraina

ary nihoby avokoa ireo anjelin’Andriamanitra?

8Iza no nanidy varavarana tsy hihoaran’ny ranomasina,

raha nifantsitsitra nivoaka avy tamin’ny lalina izy?

9Dia nampitafiako rahona ny ranomasina

ary nofonosiko zavona matevina.

10Namoaka didy aho hamerako ny fitroarany

ary nanisy varavarana mihidy teo anoloany

11sady niteny taminy hoe:

«Hatreto ihany fa tsy mahazo mihoatra;

eto no hifarana ny fisafoaky ny onjanao!»

12Indray maka teo amin’ny androm-piainanao

mba efa nibaiko ny hisian’ny maraina ve ianao?

Efa notondroinao toerana ve ny mazava atsinanana

13mba handraisany ny tany amin’ny sisiny

ka hakopany hihintsanan’ny olon-dratsy?

14Koa amin’izay ny tany dia hiseho endrika

tahaka ny tanimanga voatombokase

,

ary miloko tahaka ny lamba misoratsoratra.

15Nefa hoesorina amin’ny olon-dratsy ny fahazavàny

ary hotapahina izay sandry miainga hamely olona.

*

16Efa tonga tany an-doharanon-dranomasina ve ianao

na efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?

17Efa naseho anao ve ny vavahadin’ny fahafatesana,

ka nahazoanao nahita ny fidirana

mankao amin’ny sehatra maizin’ny fahafatesana?

18Efa voadinikao ve ny fidadasiky ny velaran-tany?

Valio aho raha toa hainao izany rehetra izany.

19Aiza àry no lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava?

Ary aiza koa no toerana misy ny haizina,

20mba hitondranao azy any amin’ny faritra

ka hahafantaranao ny sakeli-dalana ho any an-tranony?

21Tokony ho fantatrao tsara izany

satria efa teraka ianao tamin’izay

ary marobe ny isan’ny androm-piainanao!

*

22Efa notsidihinao ve ny fitehirizana ny orampanala

ary efa hitanao ve ny fanangonana ny havandra,

23fa voatahiriko ho amin’ny androm-pahoriana ireo,

dia ny andro ifamelezana sy iadiana.

24Aiza moa ny lalana ipariahan’ny fahazavana,

ary ny toerana iaingan’ny rivotra avy atsinanana

mba hielezany etỳ ambonin’ny tany?

25Iza no nihady lalan-drano hikorianan’ny oram-be

sy nanoritra ny lalan’ny varatra mikotrokotroka?

26Iza no nampisy orana amin’ny tany foana,

sy amin’ny taniefitra tsy misy olona,

27mba hahavonto rano ny tany karankaina

ka hampaniry ny ahi-maitso vao mitsimoka?

28Manan-dray ve ny ranonorana?

Ary iza no niteraka ny ranonando mitete?

29Kibon’iza no nivoahan’ny ranomandry

ary iza no niteraka ny fanàlan’ny lanitra,

30ka mahatonga ny rano hihamafy toy ny vato

ary mahatonga ny velaran-dranomasina handry?

*

31Moa ve ianao mahafatotra mitambatra

ny vondron-kintana Ikotokelimiadilaona,

na mahavaha ireo tady mamehy

ny vondron-kintana Telonohorefy,

32na mampitranga ny andian-kintana ara-potoana,

na koa mahatarika ny vondron-kintana Orsa lehibe

mbamin’ny vondron-kintana zanany Orsa kely?

33Mahalala ireo lalàna mifehy ny lanitra ve ianao

ary mandrindra ny fiantraikany amin’ny tany?

34Ampy hampitosaka ny ranobe aminao ve

ny fanandratanao baiko amin’ny rahona?

35Ianao ve no mahay mandefa ny tselatra

ka hilazany aminao hoe: «Indreto izahay»?

36Iza no milaza amin’ny vorona ibisy

fa hiakatra ny ony Neily?

Iza no mampahalala ny akoholahy

fa ho avy ny orana?

37Iza no manam-pahaizana mahaisa ny rahona?

Iza no mampitotongana ireo siniben-drano any an-danitra,

hampitosaka ranonorana mivatravatra

38ka hanambatra ny vovo-tany ho tonga fotaka

ary hampiraikidraikitra ny bainga vonton-drano?

Ilay tompon’ny tontolom-biby

39Ianao va no mihaza remby ho an’ny liom-bavy

na mahavoky ny zana-diona noana,

40raha mamitsaka ao an-davany izy

na manotrika anaty kirihitra?

41Iza no mikarakara ny hanin’ny goaika

raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany

ka mirenireny tsy mahita hanina?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help