1Nanangana ny tranony ny Fahendrena,
rehefa avy nipaika ireo andry fito.
2Novonoiny ireo bibiny,
noharoharoiny ny divainy
ary namboariny ny latabany.
3Ireo mpanompovaviny no nirahiny
eny amin’ny toerana avo indrindra ao an-tanàna
mba hiantsoantso izao fanasana izao:
4«Ianareo kely saina, mankanesa atỳ».
Ireo bado koa dia nampilazany hoe:
5«Avia mihinana amin’ny mofoko
ary misotro amin’ny divay nomaniko.
6Ialao ny hakelezan-tsaina, dia ho velona ianareo!
ka mizora amin’ny lalan’ny fahaiza-manavaka.»
Ny hendry sy ny mpiavonavona7Izay mananatra ny mpaniratsira dia hahazo fanarabiana;
ary izay manaraka ny olon-dratsy dia ho afa-baràka.
8Aza mananatra ny mpaniratsira, fandrao hankahalainy ianao;
fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9Manomeza ho an’ny hendry, dia hihahendry izy;
ampianaro ny olo-marina, dia hitombo traikefa izy.
10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena.
Ny fahalalana Ilay Masina no tena fahaiza-manavaka.
11Eny, izaho Fahendrena no mahamaro ny andronao
sy mampahalava ny taona hiainanao.
12Raha hendry ianao, dia tombontsoa ho anao izany.
Fa raha miavonavona kosa ianao,
dia ianao ihany no hilanja ny vokany.
Ny fanasàn’ny Fahadalana13Ny Fahadalana dia toy ny vehivavy mpitabataba,
kely saina ary tsy manam-pahalalana.
14Mipetraka amin’ny seza izy
eo am-baravaran’ny tranony,
eny amin’ny toerana avo ao an-tanàna,
15mba hiantso ny mpandalo
izay mizotra amin’ny alehany avy hoe:
16«Ianareo kely saina, mankanesa atỳ».
Hoy koa izy tamin’ireo bado:
17«Mamy ny rano nangalarina
ary matsiro ny mofo hani-miafina».
18Tsy fantatr’ireo fa ny maty no ao,
ary efa any amin’ny toeran’ny maty
no mihitsoka ireo nasain’ny fahadalana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.